Auteur/autrice : Adnews

Zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana: Hanomboka anio, eny Ankatso

Hanomboka anio, haharitra roa andro, ny zaikabem-pirenen’ny tanora ho an’ny fahi­tsiana. Andraisan’ny tanora manerana ny Nosy anjara izany, izay hotanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), tohanan’ny fikambanan’ny Firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF) ary ny Konfederasionina soisy no mi­karakara ny hetsika. Ao ana­tin’ny fanatanterahana […]

Literatiora : Mizara ny traikefany i Alexandre Lenote

Mpanoratra teratany frantsay i Alexandre Lenote. Naha­zo ny loka « 5 Prix des 5 continents  de la Francophonie » andiany faha-25 izy, tamin’ny alalan’ilay boky « Cette vielle chanson ». Loka omen’ny Organisation internationale de la francophonie na OIF izy ity, natao indrindra hanasongadinana ny asa soratra amin’ny teny frantsay sy ny frankofonia amin’ny […]

EK PED MAA KE NAAM : Nomarihina tamin’ny fambolena ravinala sy “palmier”

Nankalazaina omaly, teny amin’ny Lapan’Andafiavara­tra, ny “EK PED MAA KE NAAM, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera sy ny masoivohon’i Inde. Fambolena ravinala iray sy «palmier” iray no nanamarihina ny hetsika “EK PED MAA KE NAAM”. Ity hetsika ity izay manome lanja manokana ny reny loharano nipoirana sy ny […]

Karate – Tompondaka maneran-tany : Ahina tsy handray anjara ny Malagasy

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, ahitana an’i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Hatra­min’ny nanaovanay fanadihadiana sy nanoratana, omaly anefa, mbola baraingo ny handehanan’izy ireo. Tsy mbola […]

Fitantanana ny baolina kitra : Nanakiana izany ireo mpilalaon’ny Barea fahiny

Niteraka fanehoan-kevitra maro ny vokatra azon’ny Barea Madagasikara nanoloana an’i Tanzanie, ny talata lasa teo. Tsy ny teto an-toerana ihany fa na ireo any ivelany aza, indrindra ireo mpilalao nandrafitra ny Barea teo aloha. Samy nanakiana ny fitantanana avokoa izy ireo ary mitaky baolina kitra madio. Tsy mbola levon’ny vavon’­ny […]