Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa Aro fano : Harovana ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina

Hitantana sy hiaro ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina ny tetikasa Aro Fano. Ho hamafisina ny lalàna mahakasika azy. Anisan’ny firenena manana harena voajanahary sy karazan-javamananaina tsy fahita firy maneran-tany i Madagasikara. Manana karazana soka-dranomasina miisa 5 amin’ny 8 misy maneran-tany ity nosy ity. Mihena ny isan’izy ireo, noho ny fihazana […]

Nosy-Be : Polisy 30 nisitraka fiofanana

Hisorohana ny tranga fizahantany mamoafady sy ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny zaza tsy ampy taona, polisim-pirenena miisa 30 nisitrika fiofanana tao Nosy-Be, ny 18 septambra teo. Nivondrona tao amin’ny tranobe ARO ao an-toerana ireo mpitandro filaminana sy ny mpampiofana azy ireo. Tomponandraikitra misahana ny hetsika ny fitaleavana misahana […]

Mpanohitra fitondrana ; Manararaotra ny fahasahiranam-bahoaka

« Araraotina avokoa! » Hita taratra ankehitriny fa tsy manana politika entina miady hanoherana ny fitondram-panjakana intsony ny mpanohitra ka ny zava-misy sy ny olana mitranga eto amin’ny firenena sisa ataon’izy ireo ampinga hanakorontanana ny sain’ny vahoaka. Etsy ankilany, ny fitondram-panjakana tsy mitsahatra ny mitady vahaolana amin’ny famahana ny olan’ny jiro sy […]

FJKM Ambavahaditokana: Horaisin-tanana ny Mpitandrina mianakavy

Hotanterahina ny alarobia 24 septambra izao, ny fifandraisan-tanana eo amin’ny Mpitandrina Andrianarivo Solondraibe mianakavy sy ny fiangonana FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy. « … Satria irak’i Jehovah, tompon’ny maro, izy », Malakia 2: 7. Io ny teny faneva nosafidiana ho amin’izany fotoan-dehibe izany. Ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA10) no mitarika ny fotoana rehetra […]

Fanapotehana fotodrafitrasa tao Ste Marie : Voaheloka sazy mihantona 5 taona ny Sinoa iray sy Malagasy iray

Taorian’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny 19 aogositra teo, tao amin’ny Sampam-pitsarana ambaratonga voalohany Ste Marie, ny faha-9 septambra teo vao nivoaka ny didy momban’ireo teratany Sinoa roa lahy sy Malagasy dimy. Nosamborina noho ny fa­nimbana fotodrafitrasa izay vao notokanan’ny Filohan’ny Repoblika ny  tapaky ny volana jolay lasa teo, izy ireo. Vokany, […]