Auteur/autrice : Adnews

Zatovovavy 100 niala an-daharana tany an-tsekoly : Namolavola vinam-piainana rehefa nahalala ny tenany

Nomena fahalalana feno ahafahany mamolavola vinam-piainana araka ny nofinofiny ny zatovovavy 100 niala an-daharana tao Vondrozo nefa vonona hihoitra amin’ny fiainana. Maro ireo mbola maniry ny hiverina an-tsekoly indray hanana hoavy metimety kokoa sy hahaleo tena. Nifarimbona ny minisitera enina: ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny […]

TARATRY ny KANTO

Madajazzcar Festival 2025, hiditra amin’ny fifaninanana ny « Tremplin » ho an’ny eto Antanana­rivo. Hotanterahina eny amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo, ny alarobia 24 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fifanintsanana. Afaka manatrika azy io avokoa ny olon-drehetra liana amin’ny tontolon’ny jazz. Tafiditra ao anatin’ny fikatsahana sy fampitiavana ity […]

« Angaredona Mozika Festival »: Handrasan’ Ambohimanga i Rossy

Ivon’ny hetsika « Angaredona Mozika Festival » ity faran’ny herinandro ity. Anio sy rahampitso mantsy ny fampisehoana goavana hotontosaina eny amin’ny Kianja Ankadivory, Ambo­himanga Rova. Anisan’ny andrasana amin’ity andiany faha-19 ity ny tarika Rossy, izay sambany handray anjara amin’ny « Angaredona ». Ry zareo no hamarana ny seho ny alahady, hitondra ny tapolaka sy […]

« Festival Jokosso » andiany fahadimy: Homena laka ireo tanora mpanao hatsikana

Seha-kanto iray manomboka miroborobo ny hatsikana. Nanana ny anjara birikiny tamin’izany ny « Festival Jokosso », izay ifarimbonan’ireo mpanao hatsikana na efa malaza na vao misondrotra. Manana ny hetsika azy manokana ny hatsikana eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany faha-5 sahady mantsy ny « Festival Jokosso », amin’ity. Hatao mandritra ny roa herinandro izany, ny […]