Omaly ihany dia efa feno ny toerana ho an’ireo olona handeha hanohana ny ekipam-pirenentsika, Barean’i Madagasikara, any Kenya. Manginy fotsiny ireo mbola misisika ny handeha. Tsy mampaninona azy ireny ny handoa volabe efa mihoatra ny 2 tapitrisa Ariary. Entanim-pitiavana tokoa. Ankoatra ny mpanefoefo, betsaka ny entanim-pitiavana ka mamorona ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampiofanan’ny MFFT: Hatsaraina ny fitantanam-bolan’ny kaominina
Mitohy amin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho mpampiofana momba ny fitantanana ny tetibola sy ny volan’ny kaominina. Tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny eo anivon’ny minisitera fa anisan’ireo laharam-pahamehana ny fanatsarana ny paikady amin’ny fitantanana ny […]
TSELATRA
Tontosa omaly, teny amin’ny Premier Bataillon Parachutiste Ivato, ny fanaovam-beloma farany ireo manamboninahitra telo mirahalahy avy eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena, izay namoy ny aina nandritra ny fanazaran-tena filatsahana tany Arivonimamo, ny alarobia lasa teo. Hatsangana ny Commission d’enquete mixte hanao ny fanadihadiana mahakasika iny loza iny. Tsy […]
Tsy fandriampahalemana : Tafaverina ireo omby roa lasan’ny dahalo
Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby nalain’ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilimaliniky (Toliara II), ny herinandro lasa teo. Nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny manam-pahefana sy ny kaomity mpanara-maso antsoina hoe: “Voromahery” tany an-toerana. Tsiahivina, nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitam-piadiana ny tompon’omby iray tany Anonoky, ny 20 aogositra lasa teo. Niharan’ny fanafihana […]
Ankadifotsy : Lehilahy iray tratra namaky trano
Lehilahy iray tratra teo am-pamakiana tranon’olona tetsy Ankadifotsy Antanifotsy, afakomaly tamin’ny 08 ora maraina. Nosokafan’io olon-dratsy io ny vavahadin’ny tokantrano iray ary niditra an-keriny tao anatiny izy. Nahita izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony avy hatrany […]




