Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasiakara, taranja volley-ball, sokajy D1 lahy sy vavy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Anisan’ny vokatra nisongadina teo amin’ny sokajy lehilahy ny nandresen’ny CVBF Farafangana ny Pôle GN, tamin’ny seta 3 no ho 1 (18/25; 25/20 ; 25/22 ; 25/19). […]
Auteur/autrice : Adnews
Rugby lalaovina olona 7 : Hanala vela amin’i Kenya ny Makis Madagasikara
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 7, ny Makis Madagasikara amin’ity. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Challenger Series 2027” izy ireo. Iray vondrona amin’i Kenya sy i Namibie i Madagasikara amin’ity. Hotanterahina atsy Maurice ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na “Africa Men’s Sevens Series”, […]
VAOVAO TAMBATRA
Lany teny Tsimbazaza, omaly, ny volavolan-dalàna laharana 026/2026 momba ny famatsiam-bola mitentina 250 tapitrisa dolara ho an’ny Fandaharanasa Ascent Madagascar. Mikendry ny hampisitraka angovo madio sy maharitra ho an’ny olona 2,5 tapitrisa hatramin’ny taona 2030 ny fandaharanasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana herinaratra vaovao 312 500, fizarana fatana mitsitsy 1,5 […]
Ady amin’ny haromotana: Saka sy alika 1 500 ho vosirina sy atao vaksiny
Andro maneran-tany hiadiana amin’ny haromontana (JMR), omaly 28 septambra. Lohahevitra noraisina ny hoe, « Miaraka isika, mahery kokoa ». Manoloana izany, nampahafantarin’ny minisitry ny Fiompiana (Minel), Randrianomenjanahary Riana, ny paikadim-pirenena ahitana ny fiaraha-miombon’antoky ny telo tonta (3P), ny minisiteran’ny Fiompiana, ny orinasa Mad Dog Initiative ary ny tohana avy amin’ny fikambanana Fondation […]
Salon de l’Auto 2026 : Hamoraina ny fividianana fiara
Manana anjara toerana lehibe amin’ny lafiny fivezivezena ny tontolo ara-bola sy ny banky. Voalohany, nandraisan’ny banky Sipem anjara ny hetsika Salon de l’Auto 2026, andiany faha-15, karakarain’ny Vondron’ny mpanafatra fiara avy any ivelany eto Madagasikara (GCAM). Nanomboka ny 25, 26, 27 septambra teo ary mbola hitohy amin’ny 2, 3, 4 […]





