Auteur/autrice : Adnews

Madagascar Airlines : Hanao sidina vaovao hampitohy ny Nosy Boraha sy Saint-Denis

Hisy sidina vaovao hampitohy ny Nosy Boraha (Sainte-Marie) sy Saint-Denis, any La Réunion, ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Sidina hanomboka ny 3 Oktobra, izay hampifandray mivantana voalohany ireo nosy roa ao amin’ny ranomasina Indianina. Hiainga eto Antananarivo ny sidina voalohany ary handalo ao amin’ny Nosy Boraha, alohan’ny hisidina mankany Saint-Denis. Hanaraka […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy nanome fahazoan-dalana na iza na iza ny hanoratra boky mirakitra ny tantarany ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, araka ny fampitam-baovaon’ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Fanavaozana, Iavoloha, omaly. Tokony hitandrina ireo olona mety hahita na hividy boky lazaina fa mirakitra ny tantaran’ny filohan’ny Fanavaozana. Ny demokrasia, tokony hihaino […]

VMFR: Vita sonia ny sata ho an’ny dinika politika

“Handry anjara amim-pahatsoram-po amin’ny dinika politika, hanome lanja ny tombontsoa ambonin’ny firenena manoloana ny tombontsoa manokana, hiaro toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena”. Ireo ny faneken’ireo nanao sonia ny “Sata ho fanoloran-tena ho an’ny dinika politika”, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Vovonana miaro ny fanovana miatrika ny Repo­blika vaovao (VMFR), Rako­tomavo […]

Ny omaly tsy miova

  Niaraha-niaina tao anatin’ny andro maromaro ny fiavian’ ny orana. Manomboka miseholany ny rano mivangongongongo etsy sy eroa. Efa mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Manomboka miboiboika avy any anaty lakandrano ny rano maloto sy ny karazan-doto. Ny eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, ohatra, miverina tsikelikely ny manainga zipo sy […]

Filohan’ny Fanavaozana : “Tsy mpanongam-panjakana ny miaramila”

“Tsy mpanongam-panjakana no avoakanay ao amin’ny Akademia Miaramila fa olona nokolokoloina ho tia tanindrazana sy ho tia vahoaka izay misy azy ao, ka hanaiky ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, tamin’ny fanolorana azy ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Tafika malagsy teny amin’ny Mining Business Center (MBC), […]