Notokanana ny 31 jolay 2025 lasa teo, ny Kaomisaria Boriborintany voalohany Ambodimanga, ao Toamasina. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, notronin’ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny MSP foibe sy ny Talem-paritra maromaro tonga any an-toerana. Nanome voninahitra ity fotoana ity ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ampanjaka Toera: Homem-boninahitra ny kabesony
Hotanterahina eo amin’ny torapasika Nosikely Morondava, ny 8 hatramin’ny 17 aogositra 2025, ny hetsika « Ndao hangala morimoritsy ». Natao hanomezam-boninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera ary hanamafisana sy hampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fizahantany ao amin’ny faritra Menabe izy ity. Hisy ny lalao nentim-paharazana sy fanao ao an-toerana, toy ny kibara sy […]
MFA : Nanome toromarika ireo miaramila ao Mahajanga
Nanatanteraka fitsidihana ny toby kolonely Rasolonjatovo Claude Armand, ao Androva Mahajanga, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ireo manamboninahitra mpiara-miasa aminy. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra mpitsabo sy mpitsabo nify tao Mahajanga ka nanomezany toromarika ho […]
Diamar any Eoropa : Miantso ny filoha Rajoelina Andry hanilika ireo tsy madio fo
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Diaspora manohana ny filoha Andry Rajoelina (Diamar) any Eoropa, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. “Mampirisika ny filoha Rajoelina Andry ho hentitra ary handray fepetra hanilika ireo tsy madio fo sy tsy vonon-kiasa ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy manoloana ny vina napetraka”, hoy izy ireo. Nankahery […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny ezaka ho fisorohana ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo izay ataon’ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitetezana ireo fokontany ho fametrahana ireo rafitra eny ifotony hisorohana ny areti-mifindra sy ny tazomoka ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Fotoan’ny didim-poitra sy famadihan-drazana izao. Maro ireo manao fety mampiasa zava-maneno mafy any […]




