Nandritra ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa teny amin’ny Akamasoa no nanomezany fahazoan-dalana hanokatra ivontoeram-panofanana sy ny fankatoavana ara-dalàna ny sampam-piofanana maro ao an-toerana. Anisan’izany ny fanofanana momba ny taotrano, taovy, herinaratra, fametrahana ireo kojakoja amin’ny toeram-pidiovana sy ny lalandrano amina tokantrano, rafitra isan-karazany. Tsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Vaksiny anti-HPV : Entanina ny ankizy 9 hatramin’ny 14 taona
Misy ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza hotanterahina eny amin’ny CSB rehetra manerana ny Nosy, ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra izao. Voakasiky ny fanentanana ireo ankizivavy manomboka 9 taona hatramin’ny 14 taona aloha ny fidirana amin’ny fiainana ara-nofo. Aretina mifindra amin’ny firaisana ara-nofo ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. […]
Fampianarana : Braille iraisam-pirenena ampiasaina eto Madagasikara
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny braille ampiasaina eto Madagasikara manomboka izao. Tombony maro ary fisokafana ho an’ireo olona manana olana ara-pahitana izany. Manomboka izao, ny famantarana braille fampiasa aty amin’ny tany miteny frantsay na maneran-tany no ampiasaina eto Madagasikara. Nisongadina izany nandritra ny fampiofanana ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly manokana […]
VAOVAO TAMBATRA
Nanomboka omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fanomanana ny fivorian’ny Sadc. Nihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny manampahaizana manokana momba ny « Drafitra stratejika ho an’ny fampandrosoam-paritra » (RISDP). Tari-dalana mamaritra ny laharam-pahamehana ao amin’ny Sadc ity RISDP ity. Distrika faha-50 notsidihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, ny any Miandrivazo, faritra Menabe. […]
Foaran’ny findramam-bola: Fampiroboroboana ny fampiasam-bola
Hatao ny 30 sy ny 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny hetsika Foaran’ny findramam-bola sy ny fampiasam-bola (Foire aux crédits et investissements). Tanjona ny hanapariahana amin’ny daholobe hananana vahaolana amin’ny lafiny ara-bola, sady handraisana anjara amin’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ny rehetra. Mikarakara ity andiany voalohany ity […]




