Auteur/autrice : Adnews

Fihetsiky ny Jly Ravalomanana Richard: Tohina sy malahelo ny Holafitry ny mpanao gazety

Namoaka fanambarana manoloana ny fihetsika nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nambaran’ny Holafitra tamin’izany fa tena tohina sy malahelo noho ny fihetsika sy teny izay heveriny ho tsy mendrika sy fanaovana tsinontsinona nataon’ny Jly Ravalomanana Richard izy ireo. Anton’izany ny tamin’ny […]

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fitazomana basy tsy ara-dalàna tany Ranohira, ny 1 aogositra lasa teo. Tratra nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy izy io tamin’ny 11 ora maraina. Rehefa nosavaina, nahatrarana basy vita gasy miaraka amin’ny bala sy mohara tany aminy. Nentina nohadihadiana teny amin’ny birao izy taorian’izay. […]

Anosibe : Tratra namaky trano i Fetra

Voasambotry ny polisy teo am-pikasana hamaky trano ny lehilahy iray 24 taona, tao Anosibe, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana, nanao asa fisafoana teny amin’iny faritra iny ny mpitandro filaminana. Tratra teo am-pangalarana entan’olona i Fetra izay tovolahy vao erotrerony. Nosakanan’ny polisy izy. Nosamborina ka nentina natao famotorana eny anivon’ny […]

Olana ara-teknika : Vehivavy iray namoy ny ainy, 20 hafa naratra

Olona manodidina ny 20 mahery naratra vokatry ny fivadihan’ny karandalana iray tany amin’ny fokontany Ankaroka, omaly. Vehivavy iray namoy ny ainy tamin’izany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tao amin’ny fokontany Ankaroka, kaomi­nina Ianabinda, distrikan’i Betroka, faritra Anosy, omaly tamin’ny 07 ora sy 20 minitra maraina. Nitrangana olana tampoka ny fiara […]