Auteur/autrice : Adnews

Filoha Rajoelina Andry: “Miasa ho amin’ny tena ilain’ny vahoaka isika”

Natomboka tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny fidinana ifotony notarihin’ny filoha Rajoelina Andry any Fianarantsoa, omaly. Hitohy anio ka hatramin’ny zoma izao amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny lahateniny nandritra ny filankevitry ny minisitra tao Beravi­na, fa zava-dehibe ny manatanteraka izany eny ifotony. “Mba hahafahana mahita mivantana ny […]

Fiandrianam-pirenena: Lazon’ady fiady ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina

Lavitra sy ela ny lalana nodiavina amin’ny fitakian’i Madagasikara ny fiandrianam-pirenena amin’ireo Nosy malagasy manodidina. Lazon’ady fiady… Mila fahasahiana sy fijoroana hatramin’ny farany, fiaretana sy faharetana. Fintina tantara… Tamin’ny taona nisian’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao teo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, 1973, no namoahan’i Mada­ga­sikara ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina: ny […]

Federasionina malagasin’ny Badminton : Nahazo fitaovana avy amin’ny rafitra iraisam-pirenena

Manana vaovao lehibe ny Federasiona malagasin’ny taranja Badminton (FMB). Araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny FMB, Ravalison Jean Aimé na i Môta, omaly. Nahazo fitaovana avy any amin’ny rafitra iraisam-pirenena mifehy ity taranja ity ny Malagasy. Ireo fanampiana ireo, izay hanavaozana ny taranja ka afaka lalaovina any ivelan’ny efitrano amin’izay ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly ny fiofanana CAMS (Cours avancée en management du sport), andiany faha-7. Fiofanana omen’ny Kaomity olympika malagasy, izay haharitra 6 volana. Miisa 18 ireo mpiofana amin’izany. Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy azy, tany Tsiroanomandidy, ny Disciples Espoir FC, araka ny fikarohana natao, omaly. Tamin’ireo fihaonana […]

fanatanjahantena : Mpanao gazety miisa 39 niofana

Rafitra iray anisan’ny mampihodina ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Mampita sy manabe ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny vaovao avoakany izy ireo ka antoka iray mampandroso ny taranja tsirairay. Mila ampy fahalalana anefa ireo mpanao gazety rehefa mikirakira ny vaovao ka anisan’ny tokony hifehezany ny […]