Auteur/autrice : Adnews

Lakana rendrika : Olona enina namoy ny ainy

Olona dimy hita faty tao anaty ranon’Alaotra, andrefan’ny tanànan’i Vohitsivalana, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambatondrazaka, afakomaly hariva. Sendra loza teny an-dalana izy io ka rendrika. Niainga ny alatsinainy teo, avy any Ambohijanaharikely ary hihazo an’ Ampitandrefana, io sambokely io, raha ny fanazavana voaray. Niainga maraina tany Ambohijanaharikely Ambatondrazaka ary tsy tonga […]

Famosaviana teny Ambohimalaza : Ombiasy sy vehivavy roa naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana omaly ireo voarohirohy tamin’ny famosaviana teny Ambohimalaza, tamin’ny sabotsy heriny. Olona telo naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Ombiasy iray sy vehivavy roa. Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ireo olona 8 mianadahy voarohirohy tamin’ny tranga famosaviana ara-tsakafo ka nahafatesana olona maro teny Ambohi­malaza, ny sabotsy 14 jona […]

“World Cup 3×3”: Miankina amin’ny mpilalao ny vokatra

Fifaninanana goavana no miandry ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lahy sy vavy, amin’io herinandro ho avy io. Hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, ta­ranja basikety lalaovin’olona telo i Madagasikara, ny 23 hatramin’ny 27 jona izao, any Mongolie. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa miankina tanteraka amin’ireo mpilalao ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Niady ny fifandonan’ny ekipa Phoenix Vakinan­karatra sy ny Sepa ABM Boeny, sokajy vehivavy nandritra ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1B, tanterahina any Fianarantsoa. Isa 72 no ho 69 no nisarahan’ny roa tonta, nandresy ny Phoenix. Hotontosaina ny 29 jona izao ny fifaninanana “Top Fight”, taranja kick boxing, karakarain’ny […]

Rugby a 7, sokajy lehilahy: Hiady ny tapakilan’ny Mondial ny Makis

Nanainga omaly, hihazo an’i Maurice, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny ady tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, taranja rugby, lalaovin’olona 7, lehilahy, ny Makis de Madagascar. 13 ireo mpilalao hanao ka anisany ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, i Hugo Manolo. Nambaran-dRazily, mpanazatra, fa tsy olom-baovao izy […]