Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Miantso ireo manan-talenta ao Antsirabe ny « Fest’Iray », na ny « Festival de l’écologie ». Hisy ny « casting » hitiliana ireo mpanakanto handray anjara, izay hotontosaina ny 21 sy 22 jona izao, ao amin’ny Alliance Française Antsirabe. Misokatra ho an’ireo mpanao mozika, vakodrazana, sary hosodoko, dihy, sns, izany. Nivoaka ny datin’ny « Manal’Azy vita bacc ». […]

Fiverenana amin’ny fototra: Lasa mpitsabo avokoa ny Malagasy

Marina, tsy mba nampiasa fanafody na ody nandalo labôratoara na toeram-panandramana ny Malagasy. Nahafehy tranga maro momba ny fitsaboana kosa izy noho ny fananany zavaboahary maro sy traikefa nifandimby. Mbola misy rahateo ireo mahatazona izany, satria, nanana raiamandreny sy vatonamelankafatra hendry sy nahavita adidy. Ankehitriny, lasa mpitsabo avokoa ny Malagasy, […]

Fetim-pirenena fahiny : Nomen-danja ny kolontsaina malagasy

26 jona 1960, nanomboka teo ny lanonana ho famalifaliana ny Malagasy. Mbola ny vahiny no nandrindra ny hetsika tamin’ny ankapobeny. Na izany aza, nomen-danja ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. 26 jona 1960, noho ny lamina nifanarahan’ireo firenena lehibe mpanjanaka. Naverin’ny Frantsay tamin’i Madaga­sikara ny fahaleovantena efa nananany teo aloha. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny ampahavalon-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny Sokajy N1B. Fifaninanana tanterahina any Fianarantsoa, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny hifandona ny JCBA sy ny ASLFA, eo amin’ny sokajy vehivavy. Misolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja “Gymnastique Rythmique”, Rakotonirina […]

FMF sy ny fanjakana: Nanafatra fitaovana hikolokoloana ny bozaka

Miara-mientana! Taorian’ ire­ny fitsidihana nataon’ny Caf ny Kianja Barea, ny volana febroary teo, ireny, nilaza ny minisitry ny Fanatanja­han­tena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, afakomaly, tetsy Mahama­si­na, fa olana iray tsy nahazoana ny fankatoavana ny bozaka. Efa nankatoavin’ny kaonfederasionina afrikanina kosa ny singa valo tamin’ireo sivy no­takiny hatramin’izay. […]