Mitondra vokatsoa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fampiasana drones hitatitra ireo filana fototra any amin’ ny CSB saro-dalana. Misongadina ny fanatsarana ny fanaovam-baksiny satria tonga ara-potoana ireo fitaovana ilaina rehetra. Nampahafantarina omaly, tetsy Anosy, ny vokatry ny fanadihadiana amin’ny fahombiazana amin’ny fampiasana drones eo amin’ny famatsiana fanafody sy vaksiny […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : Nahazo fiara miisa dimy avy amin’i Japon
Nanolotra fiara miisa dimy ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny fitondram-panjakana japoney, amin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika, i Abe Koji. Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tetsy Anosy, omaly, izany ary tafiditra amin’ny Tahiry “Fonds de contre-valeur japonais”. Hampiasaina amin’ny fihaonana an-tampon’ ny Sadc hatao eto Madagasikara, ny volana aogositra izao, […]
Fivarotana Toaka gasy: Nolanian’ny loholona ny tolo-dalàna
Lany 100% teo anivon’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny fahalalahan’ny fanamboarana sy fivarotana toaka gasy. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny fandaniana izany. Na izany aza, mbola nitondran’ireo loholona fanovana miisa fito izany tolo-dalàna izany. Haverina eny amin’ny Antenimierampirenena hodinihin’ireo depiote indray ary hanapahan’izy ireo farany ny momba ity […]
Fampandrosoana eny ifotony – MFFT: Nahatsara ny fari-piainan’ny mponina ny tetikasa PDCID
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy Anosy ny dingana fahatelo amin’ny tetikasa PDCID III. Iarahana manatanteraka amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fampandrosoana ifotony izany. Nampahatsiahivin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, fa mikendry ny hanamafisana ireo tolotra ho an’ny vahoaka avy amin’ny fanjakana eny anivon’ny kaominina, ary hampiroborobo […]
26 jona 1960 : Fifampiraharahana no namerenana ny Fahaleovantenan’i Madagasikara
Herinandro sisa… 26 jona 1960- 26 jona 2025. 65 taona katroka ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tsy mora ary maro ny dingana nolalovana. Fifampiraharahana no namerenan’i Frantsa ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tantara.. Nambara teny Andohalo, tamin’ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, na dia tsy mbola afaka aza tamin’ny fanjanahantany frantsay. […]




