Nanentana ny rehetra ho mailo ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Nambarany fa marobe ny mpisoloky ara-bola amin’izao fotoana izao. “Ao ireo milaza fa mampindram-bola na mahavita mampitombo vola, na manampy ara-bola. Maro ny mpisoloky amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nametraka samboady ireo ben’ny Tanàna voafidy […]
Auteur/autrice : Adnews
Lisi-pifidianana : Afaka manitsy ireo diso ny olom-pirenena
Hiverina tsy ho ela eny amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana nasiam-panavaozana, araka ny nambaran’ny mpampankatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika. “Mbola afaka mangataka fanitsiana ireo olom-pirenena mahita fahadisoana amin’ny mombamomba azy ao anatin’izany lisi-pifidianana nasiam-panavaozana izany”, hoy izy. Nambarany fa hifarana sy hikatona tanteraka any amin’ny 15 mey any ho any izany lisitra […]
Olana ara-tsaina faobe
Vita izay ny kifetifety sy ny fanehoana amin’ny endrika ivelany ny fitakiana ny zon’ny vehivavy. Fotoana izao ho an’ny asa misy fiantraikany mivantana. Indrindra manoloana ny firongatry ny herisetra etsy sy eroa. Tsy afaka ny mitazam-potsiny ny olom-pirenena tsirairay fa mila sahy mijoro sy maneho fa manan-kery hanoherana ny […]
Filoha Rajoelina Andry : “Tsy omena fotsiny ny mariboninahi-pirenena”
Nanatrika ny fanombohan’ny fivorian’ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny mariboninahi-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny tamin’izany. “Tsy omena fotsiny ny mariboninahi-pirenena, fa natokana ho an’ny olona tena nanao ny asany mivaingana sy azo tsapain-tanana ho an’ny firenena”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny mariboninahi-pirenena, […]
TSELATRA
Nosamborin’ny zandary ilay vehivavy nidaroka ny rahavaviny tamin’ny alalan’ny tavoahangin-dabiera teny Ampasapito, afakomaly. Niara-nisotrosotro izy mirahavavy ka nifamaly tampoka. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany. Novelesin’io vehivavy io avy hatrany ilay zandriny ka voa mafy. Nentina teny anivon’ny mpitsabo ity farany. Atao famotorana kosa ilay nahavanon-doza. Lehilahy malagasy iray maty noleran’ny namany […]




