Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Sambokely misy motera (vedette) iray no rendrika an-dranomasina tao Lavanono, distrikan’i Beloha, faritra Androy, omaly maraina. Niaraka nanavotra sy nisintona izany ny zandary sy ny fokonolona ary ny mpanjono. Efa simba tanteraka ilay sambo ary nahitana motera (hors-bord) roa niaraka taminy. Efa misokatra ny fanadihadiana. Lehilahy miisa telo tratran’ny zandary […]

Nikasa hanafika sy nitifitr’olona : Jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary

Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny fokontany Vo­himary, kaominina ambanivohitra Andiolava, afakomaly maraina, tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’olona iray tany an-toerana ny jiolahy miisa roa. Notifirin’izy ireo tamin’ny basy ny raim-pianakaviana manodidina ny […]

Nosy Be : Olona 22 saika hiondrana any Mayotte

Saron’ny Tafika an-dranomasina, tao amin’ny seranan-tsambo Ambaravato, Nosy Be, ny botry iray nikasa hitondra mpandeha an-tsokosoko hiondrana any Mayotte, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 12 jolay teo. Nanao fisafoana tamin’iny faritra iny ny Tafika an-drananomasina izay sady mpiaro ny sisintany malagasy. Tra-tehaka ny fisian’io botry iray izay nampiahiahy io. […]

Voatifitra omaly i Andry : voatifitra teny amin’ny Capsat

Folo volana taty aorian’ny tolom-bahoaka, namoy ny ainy ny raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teo amin’ny ranjony teny amin’ny Capsat. Narary tampoka ka nalevina omaly izy. Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teny amin’ny Capsat ny 12 oktobra 2025. Notanterahina omaly ny fandevanana azy. Efa nialana nenina sy notsaboana nandritra ny […]