Ho maina, amin’ny ankapobeny, ny habaka saika manerana ny Nosy, raha ny vina mandritra ny herinandro. Hahazo vahana anefa ny tsioka avy atsinanana ho an’ny tapany avaratra atsinanana sy ny ilany atsinanan’ny afovoantany, amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy tranga mahery vaika mety hanakorontana ny toetry ny andro. Hisy orana avy […]
Auteur/autrice : Adnews
Antsirabe I sy II : Sekoly efatra nahazo fotodrafitrasa vaovao
Fotodrafitrasa vaovao efatra momba ny fanabeazana no notokanana tao Antsirabe I sy II, ny faran’ny volana lasa teo, ao anatin’ny tetikasa “Anjara”, tohanan’ny Vondrona eoropeanina. Tanjona ny hampisitraka zo ireo zaza amin’ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana any an-dakilasy. EPP Tsivatrinikamo, CEG Tsiafahy, EPP Fiadanana ary CEG Andranomanelatra no niantefan’ny tetikasa. […]
Fandaharanasa IVLP : Malagasy telo mianadahy sangany
Nahomby ny fandraisan’ireo Malagasy mpitarika anjara tamin’ny fandaharanasa fifanakalozana “International Visitor Leadership Program (IVLP)» natao tany Etazonia. Nandray ny taratasy manamarina izany izy ireo, ny herinandro teo. Nisitraka izany ny Dr Volatiana Andriananja, i Richard Andrianavalomahefa, ary i Tsitohaina Arthur Ralihivao, izay samy tafaverina eto an-toerana. Vonto traikefa sy vonona […]
CHUJRA : Misokatra andro aman’alina ny sampana fandidiana maika
Asa miankina aman’aina ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fandidiana maika, ao amin’ny CHUJRA. Ireo tena mila izany noho ny loza mitranga no raisina an-tanana voalohany. Mampahafantatra izany fisokafana andro aman’alina izany ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fandidiana maika eo amin’ny hopitaly CHU JRA, ny profesora Rakotoarison Nicole. Varavarana voalohany handraisana ny […]
TARATRY ny KANTO
“Ny mpanakanto ve… Sa mpaminany sandoka?” Io no lohahevitry ny takalo am-pamoloana, izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany i Lanto Ratsida, sosiology, ka hiainga avy amin’ireo tononkiran’i Dedesse sy ny Lôlô sy ny tariny izy amin’ny famakafakana. Eo koa i Pov, mpanao sariitatra […]




