Auteur/autrice : Adnews

KMF/Cnoe: “Tokony hamoaka paikady mazava ny mpitandro filaminana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’nyKMF/Cnoe. Nambaran’izy ireo fa tena ilaina ary tokony ho hentitra ny fiarovana ny vahoaka. “Tokony hamoaka paikady hiarovana ny Malagasy amin’ny asa ratsy ny mpitandro filaminana, indrindra ahazoan’ny Malagasy manana fahatokisana fa manana mpitandro filaminana mahaaro azy izy” Io ny fanehoan-kevitry ny […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray naratra voatsindrona antsy teo amin’ny takibany, omaly maraina, tetsy Anjanahary. Handeha hamonjy asa maraina, nandeha moto izy, no tratran’izany. Nikasa hangalatra ny moto nentiny ilay mpanao ratsy. Lasa nitsoaka vao avy namely. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay naratra, taorian’izay. Raim-pianakaviana iray hafa, maty kilan’ny afo tao […]

Mpiala sasatra tany Toamasina : Ankizivavy 13 taona natelin’ny ranomasina

Nitrangana lozan-dranomasina ny fiatombohan’ny fialantsasatra any amin’ny faritanin’i Toamasina. Ny zoma lasa teo, ankizivavy 13 taona no natelin’ny ranomasina re­hefa nilalao rano teny amoron-dranomasina. Nifanan­drify tamin’ireo toerana natao fisotroana sy fipetrapetrahana ny nisehoan’ny loza. Ankizy mpanao vakansy maromaro no niaraka nilalao rano tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 4 ora […]

Namono vehivavy mpitazona Cash point : Lehilahy voarohirohy, maty nodoran’ny fokonolona

Lehilahy iray noahiahina tamin’ny famonoana vehivavy iray mpanao Cash point tany Maintirano, maty nodoran’ny fokonolona velona tany an-toerana, omaly tamin’ny 4 ora hariva. Voatazona tao amin’ny biraon’ny FIP Main­ti­rano izy io, ny sabotsy. Nitaky ny hamoahana azy ny fokonolona sy ny fianakavian’ilay vehivavy nisy namono. Omaly, tezitra ireo vahoaka ka […]