Auteur/autrice : Adnews

Fampiasam-bola : Omena vahana ny mpanjifa

Nandray anjara tamin’ny Foara ho an’ny fampindramam-bola sy ny fampiasam-bola (Foire aux crédits et Investi­ssements), andiany faharoa, natao teny amin’ny CCI Ivato, ny banky Sipem. Tanjona ny hanomezana vahaolana amin’ny fahazoana famatsiam-bola mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa. Tolotra afaka mifaninana amin’ny hafa, sady mampiroborobo ny orinasa sy ny toekarena malagasy. Tsy […]

COM’ON Holding : Vala tahaka 50 ha

Vitsy ny velarantany midadasika fa kisilasila ny ankamaroany any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy. Ampiharina ny teknika kipahy, hatao kitohatohatra ny tany, ahafahana mamboly, ampiasana fitaovana mekanika. Taorian’ny fihaonana tetsy Anosy, nitsidika ny vala tahaka, amina velarantany mirefy 50 ha any Ranomafana Atsinanana, distrika Brickaville, faritra Atsi­nanana, ny minisitry ny Fam­bolena […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao antso avo ny filoha, ny Kly Ran­drianirina Michaël, tao Toamasina, ny herinandro teo ny amin’ny fiaraha-mientana hikarohana ireo nahavanon-doza namono zaza. « Tohizonareo tanora ny fitiavan-tanindrazana. Mety manana vaovao ianareo momba ireny tranga ireny. Aza manaiky ampiasaina hanakorontana », hoy izy. Hentitra ny fanambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana manoloana ny […]

Atidohan’ny hala-jaza… : Mitaky sazy henjana ny avy amin’ny MMM

Iza no tena ao ambadika sy tompon-kevitra ary ny tena atidoha? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ma­no­loana ireo trangana fangalaran-jaza sy famonoana olona niseho tato ho ato. Manameloka ireny karazana habibiana ireny ity antoko naorin’Andrianainarivelo Hajo ity. « Takinay ny fanadihadiana lalina, hentitra sy haingana ary sazy henjana ho […]

Mba fantatra antony…

  Ao anatina tabataba sy tebiteby ny fiarahamonina amin’izao? Zaza very atsy, ankizy tsy hita aroa… Eny, misy hatramina olon-dehibe aza. Hanao ahoana ihany? Tsy lavina, efa tena mandray andraikitra tandrify azy avy ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga: miandry fampitam-baovao malaky, mangataka tolo-tanana amin’ny fifarimbonana sy firaisankina. Mampihoron-koditra ny tarehimarika: […]