Navotsotry ny polisy ilay vehivavy nosamborin’ny fokonolona teny Ankaditoho Tsimbazaza, afakomaly, izay voalaza fa nikasa hangala-jaza. Tsy mpangala-jaza izy fa tsy salama saina, saingy tsikaritry ny mponina nampiresaka ankizy teny amin’ny manodidina, raha ny fanazavana voaray ka antony namotsorana azy. Naiditra vonjimaika am-ponja, eny Antanimora, ilay vehivavy tratra nangala-jaza teny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ady amin’ny fahaverezan’olona: Mpitandro filaminana an-jatony hahetsika
Manoloana ny fanjavonana zanaka malagasy, miafara amin’ny famonoana ho faty azy ireny, nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly hariva. «Tsy afaka handefitra ny tenany, amin’ny maha Praiminisitra azy, fa vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik’ireny tranga fanjavonana sy vono olona […]
Fiara nivarina tany anaty rano : Lehilahy roa namoy ny ainy tetsy Tsarasaotra
Nahitana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, fokontany Sampanana Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina tamin’ny 11ora alina mahery tany ho any. Olona nandalo no nahita ny tranga ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga nampakatra ny fiara sy nikaroka ireo olona tao anatiny ny mpamonjy voina. […]
Hala-jaza sy olona very : Ankizy telo hita faty tao anatin’ny herinandro
Mampihoron-koditra ny manokatra Facebook, amin’izao fotoana. Mirarakompana ny olona very. Ankizy 12, 14 sy 19 taona ny telo tamin’ny olona efatra hita faty teto Antananarivo Renivohitra, nanomboka ny 1 jolay teo. Tsy honohono fa tena misy ny mpangalatra olona, ankehitriny. Tsy vitan’izany fa mbola mamono sy manala na maka taova […]
Profesora Ranaivoson Jeannot Fils : « Mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teny »
« Raha hitady asa, tsy ny teny malagasy no hitsapana ny fahaizan’ny olona iray nefa io no teny hain’ny olon-drehetra. Raha ny teny malagasy ihany no hay dia toy ny olona tsy mahay na inona na inona », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils, momba […]




