Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Nanomboka omaly, manerana an’i Mada­ga­sikara, ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana Brevet d’études professionnelles (BEP) sy Certificat de fin d’apprentissage (CFA). Tao amin’ny LTP Ampe­filoha no nanatanterahana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany. Nitarika izany ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ireo minisitra roa misahana ny fampianarana. […]

Tsy fanajana ny fahadiovana : Hiafara amin’ny fanakatonana tsena

Tsy mitsitsy intsony ny fiadidiana ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra amin’ny fampanajana ny fahadiovana amin’ny toerana rehetra. Voakasik’izany ny fahadiovan’ny tsena. Fanasaziana hentitra no hihatra amin’ireo mpivarotra sy tomponandraikitra tsy manaja ny fahadiovana. Raha miverimberina ny tsy fanajana izany, mety hofoanana mihitsy ny fahazoan-dalana hivarotra eo amin’ny toerana misy azy. Araka […]

VAOVAO TAMBATRA

Nisitraka fampitaovana ireo polisin’Ala ao Morondava. Finday sy masolavitra no nomena an’ireo mpisafo miisa 210 hanamafisana ny fanaraha-maso ny ala honko sy ny harena voajanahary ao amin’ny faritra Menabe. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Honko Mamelon’jafy na PCD II. Marihina fa vehivavy ny avy amin’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ny 17 […]