Auteur/autrice : Adnews

Karate-« Coupe Internationale » : Atleta maherin’ny 400 no andrasana

Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 10, 11 ary 12 jolay izao, ny fifaninanana « Coupe Internationale d’An­ta­nanarivo », taranja karate. Atleta maherin’ny 400 no andrasana amin’izany. Efa vonona ny fikarakarana ary efa manomboka tonga eto an-toerana, ny alahady teo, ireo mpikatroka avy amin’ny firenena hafa nasaina. Ho an’i Mayotte, 12 […]

« Yas Coupe » – ampahefa-dalana : Hanala vela amin’ny CFFA ny Cosfa

Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara nasionaly « Yas Coupe 2026 », ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Cosfa miaramila. Notanterahina tetsy amin’ny orinasa Yas Mada­gascar Andraharo ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2026». Tafave­rina hifanandrina amin’ity amboara nasionaly ity indray ny CFFA […]

Seranan-tsambon’i Toamasina : Hatsaraina amin’ny niomerika ny fivezivezin’ny kamiao

Tafiditra anatin’ny paikady hampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy afa-misaraka amin’izany ihany koa ny fanatsarana ny fivezivezen’ny kamiao maka sy hanatitra entana ao an-toerana. Eo koa ny paikady hanafoanana ny fitohanana eo amin’ny Boule­vard d’ Ivondro, vavahady hidirana ao anivon’ny seranana. Hialana amin’ny filaharan’ny kamiao […]

Africa Corps : Mandray anjara amin’ny fitandroana ny filaminana

Anisan’ny mitondra ny anjara birikiny amin’ny fitandroana sy fametrahana fandriampahalemana aty Madagasikara sy Afrika ny miaramila rosianina na ny Africa corps. Manoloana ireny fampiasana drones, nanarahan-dia ny filohan’ny Fanavaozana ireny, dia voalaza fa manaraka akaiky sy manampy ny Malagasy izy ireo. Etsy ankilan’izay, mbola mitohy ny iraka ataon’izy ireo any […]

Famaranana ny ampahavalon-dalana : Hifampitana i Messi sy i Mo Salah, anio

Anisan’ny fihaonana andrandrain’ny rehetra, indrindra ny afrikanina, ny lalaon’ny Albiceleste, Argentine sy ny Faraonan’i Egypte. Hifampitana mafy, araka izany, i Lionel Messi sy i Mo Salah. Tsontsorimamba isarahana ny an’ny roa tonta amin’ity. Hifarana anio talata, ny dingana ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, tanterahina any Canada, Mexique […]