Auteur/autrice : Adnews

Toe-draharaham-pirenena : Mitaky fandraisana andraikitra haingana ny MMM

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Na­naitra ny rehetra sy nanao antso avo ny tenany tamin’izany. Nambarany fa mahazo vahana tanteraka ny fandikan-dalàna amin’ny endriny samihafa eto amin’ny firenena, in­drindra rehefa mandalo va­nim-potoana tahaka izao. «Mi­taky ny fandraisana andraikitra haingana sy anatin’ny […]

Mihanta loatra

Raha misy angamba andrimpanjakana manao izay danin’ny kibony dia ny antenimierampirenena. Raha misy mpitondra na manampahefana maro tsy mahafehy ny asany dia ny solombavambahoaka. Raha misy ny ataon’ny mpanao politika fitaovana dia ny olom-boafidy. Saingy, tandremo kely fa ireo no tompon’ny lakile eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Izay rahonany […]

Antenimierampirenena : Araka ny filana fototry ny vahoaka ny fangatahan’ireo depiote

Nivadika ho fangatahana sy fitarainana ny fihaonana teo amin’ny depiote sy ny governemanta. Nilaza ny maharary azy sy ny vahoakany ny ankamaroany. Nisy koa ny dokadoka isan-karazany. “Momba ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa, ny seha-pamokarana, ny fandriampahalemana, ny vidim-piainana, ny fiahiana ny mponina, ny jiro sy rano ary ny […]