Auteur/autrice : Adnews

Fahadiovan’Antananarivo : Mihatra ny sazy voalazan’ny CMH

Nanao fampitandremana ny fiadidiana ny tanànan’Anta­nanarivo amin’ny hampiharana ireo sazy voalaza ao anaty Code municipal d’hygiène, CMH. Tao aorian’ny fanadiovana faobe sy fanentanana, ho avy ny kaominina hampihatra ireo sazy voalaza ao. Anisany ny fandoavana ny sazy 50 000 Ar ary famerenana eo no ho eo ny fahadiovan’ny toerana nolotoina. […]

Oniversitem-panjakana : Nametrahana sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany

Notanterahina teny Fiadanana, tamin’ity herinandro ity, ny « Conférence des présidents des universités élargies », notarihan’ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Nivory nivantana sy tamin’ny ampitain-davitra ireo filohan’ny oniversite sy oniversite manakaiky vahoaka, ireo tale jeneralin’ny IST ary ireo tomponandraikitra avy amin’ny […]

« Bapampa Be Tour » : Tohizan’ny tarika Rossy any Maurice

Nigadona atsy amin’ny Nosy Maurice ny tarika Rossy. Ny mpikambana iray manontolo mihitsy no hanatontosa ny seho izay tafiditra anatin’ny « Bapampa Be Tour 2026 ». « Hafake­ly ny fandraisana anay, porofo sahady ny fahamatoran’ny fikarakarana. Efa ela no te hihaona amin’ireo mpankafy sy mpiray tanindrazana aty amin’ireto Nosy Rahavavy ireto ka raikitra […]