Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Fiara telo nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo Andalamahitsy, Ambohimandroso, omaly. Nosembatsem­banin’ny zavona, tafiditra afovoan’ny arabe ny kamiao iray kanjo niteraka lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy ny namoy ny ainy, saingy potika ireo fiara. Hitan’ny fianakaviany teny Analamahitsy, tamin’ny 1 ora maraina, saingy tsy tonga saina tsara ny ankizilahy iray nanaovana ombay […]

Zaza very tato ho ato : Tsy latsaky ny 10 ireo namoahana fikarohana

Tsy latsaky ny 10 ny tranga filazana fikarohana mahakasika zaza very teto Ana­lamanga, tato anatin’ny tapa-bolana. Naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera avokoa izy ireny mba hifanampiana amin’ny fikarohana. Nahitana ankizy, tanora ary olon-dehibe izany. Betsaka indrindra amin’ireo ny fahaverezana ankizy sy tanora manodidina ny 4 hatramin’ny 31 taona. Nisy tamin’ireo no hita […]

Amboanjobe, RN7: Lehilahy hita faty tsy nisy taova

Dian-java-maranitra efatra hita tamin’ny fatin-dehilahy iray teny Amboanjobe, omaly. “Nalan’ny olon-dratsy ny taovany”, hoy ny mpitandro ny filaminana. «Voatsatok’antsy ny vatany, nahitana dian-java-maranitra koa teo amin’ny fony sy ny tendan’io olona io », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritra Andoharano­fotsy, omaly maraina. Niala ny trano fonenany ilay raim-pianakaviana, voalaza fa handeha hivarotra […]

Jeux corporatifs AMDRHE : Orinasa 34 handray anjara

Ho fankalazana ny faha-20 taonan’ny fikambanana AMDRHE, hisy fifaninanana iraisan’ny orinasa tsy miankina na «Jeux corporatifs». Taranja fito no hifaninanana ka miisa 34 ireo handray anjara amin’izany. Feno 20 taona ny AMDRHE, fikambanana misahana ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny orinasa tsy miankina. Tsy avelan’ireo tomponandraikitra handalo fotsiny izany fotoana […]

Miady avokoa ny lalao : Manampatra ny heriny i France

Tapitra teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana ny lalan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Etsy ankilany, manohy ny diany ny Les Bleus, France sy i Mexique, mpampiantrano. Notapahin’ny Viking Nor­vège teo amin’ny am­paha-16-ndalana ny dian’ny Elefantan’i Côte d’Ivoi­re, eo amin’ity “Mondial” an­diany faha-23 ity. Lavon-dry […]