Mikarakara varavarana misokatra ho an’ny daholobe ny hopitaly Anosiala, ny 8 sy 9 jolay ho avy izao. Hisy fampianarana momba ny aretin’ny zaza sy ny homamiadana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, ny andro voalohany. Hizaha fahasalamana maimaimpoana kosa ny tomponandraikitra ny tapakandro hariva sy ny andro faharoa. Isaky ny sampandraharaha no […]
Auteur/autrice : Adnews
BEPC 2026 : 327 815 ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy
327 815 ny isan’ny mpiadina hanala ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Mizara ho sokajy roa izany. Sokajy A manana mpiadina 174 760 ary ny sokajy B miisa 153 055. Hitsinjara amin’ny efitrano 9 446, anatin’ny foibem-panadinana 1 101, izy ireo, eo anivon’ny Cisco 115. 10 taona ny zandriny indrindra […]
Fikambanana Fonena : Ilaina ny tetikasa sosialy ho an’ny vahoaka
Nisedra maodely maro samihafa i Madagasikara, raha ny fampandrosoana no asian-teny, saingy vitsy ny vokatra nanatsara ny andavanandron’ny isan-tokantrano, raha ny fanambarana nataon’ny fikambanana Fonena tamin’ny mpanao gazety, tetsy Anosy, ny herinandro teo. Mahatsapa izy ireo fa notaizaina ho mpandray tombontsoa fotsiny ny olom-pirenena fa tsy ho tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana […]
PFSCE: Mila arindra ny rafitra hahitana vokatra ho fiarovana ny ankizy
Haitaky ho fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra. Io no nataon’ny vovonana miantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy (PFSCE) hamaranana ny iray volana ho an’ny ankizy. Naneho fahavononana amin’ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra ireo manampahefana amin’ny fanovana ny rafitra, niara-nidinika tetsy Ankerana, tamin’ity herinandro ity. Marolafy ny hevitra nivoaka, hitondra […]
TARATRY ny KANTO
« Grand concert en live». Fampisehoana rindrankira evanjelika «Miara-midera» hotanterahina ao Antsahamanitra, ny 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Handray anjara amin’izany ny Kerobima Ankatso, Ampifitia Isotry Fitiavana, Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Ny Koraita Manarintsoa Finoana, KT Ambatovinaky. Nasaina manokana kosa i Nanie sy Mamy Robinson. Nitondra inona ny « Volan’ny […]




