Auteur/autrice : Adnews

Fikarakarana ny zaza madinika : Nivoatra rehefa nijoro ny toeram-pilalaovana ao Sevohipoty

Tsy manana toerana hialana voly ny zaza ao amin’ny faritra Androy. Variana amin’ny asa fivelomana andavanandro ny reny ka tsy afaka mampilalao na manambitamby ny kilonga. Manoloana izany, najoro ny toerana fampilalaovana sy PNNC hanampy azy ireny. Manana toerana fampilalaovana zaza miisa dimy ny distrikan’­ Ambovombe. Matetika napetraka manakaiky ny […]

Famerenana tsiahy : Tsy voafafan’ny fotoana ireo kanton’i Vola sy Noro

Tsy levon’ny vanim-potoana nifandimby ireo kanto navelan’i Vola sy Noro. Nanamarina izany ilay seho notontosaina omaly. «Famerenana tsiahy ho an’i Vola sy Noro », fampisehoana an-tsehatra notanterahina, omaly, tao amin’ny CCEsca Antanimena. Na, efa ela aza no tsy re firy intsony ireo hira nokaloin’ireo mpanakanto ireo, tsikaritra avy hatrany fa namela […]

VAOVAO TAMBATRA

Roa volana taorian’ny fitakiana, mbola tsy mihatra hatramin’izao ny fampakaran-karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa (SME), ho an’ny sehatra tsy miankina. Mitohy ny tolona ho an’ny sehatra tsy miankina, izay anisan’ny mamelona sy manodina ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa takin’ny Fisema ny hampakarana ny SME ho 360 000 Ar. Nogiazana avokoa […]

Seha-pihariana Cacao : Hapetraka ny fenitra iraisam-pirenena

Hojerena ny fomba hanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ny famokarana ma­haritra, ny fanodinam-bokatra ary ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mpamokatra. Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny firenena mpamokatra Cacao (ICCO), tany Bruxelles, ny herinandro lasa teo. Anisan’ireo nanatrika ny dinika ny delegasionina malagasy, niaraka tamin’ny Filankevitra nasionalin’ny Ca­cao (Conseil […]