Auteur/autrice : Adnews

Feno ny mpanjifa: laharana fanampiny Airtel ny 035

Manodidina ny 5 tapitrisa isam-bolana ny mpanjifan’ny Airtel Madagasikara. Miditra amin’ny dingana vaovao indray, noho izany, ity orinasa tambajotram-pifandraisana ity. Fiantombohan’ny laharana hampiasain’ny Airtel vaovao ny 035, manampy ny 033 namantarana azy hatramin’izay. Nihatra nanomboka ny alatsinainy 22 jona teo io laharana io, manerana an’i Madagasikara. Mitovy tanteraka amin’ny fiasan’ny […]

Orange Madagasikara: tafapetraka ny tetikasa «Manamaitso Sekoly»

Ankoatra ny maha orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra azy, manana drafitrasa manokana ny Orange Madagasikara, amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE). No­santarina teny amin’ny EPP niomerika Masindray, omaly, ny tetikasa “Manamaitso Sekoly”. Nambaran’ny filohan’ny Orange Solidarité, Benja Arson, fa atao ity tetikasa ity hiampitana any amin’ny fametrahana tontolo maitso voajanahary. […]

Seranan-tsambon’i Toamasina: apetraka tsy ho ela ny “Plateforme multimodale”

Hapetraky ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (Spat) ao Tsarakofafa ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire” (PMLP). Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fananganana ny “Port Sec III” izany. Hapetraka any amin’ny 8 km miala ny seranan-tsambon’i Toamasina ny tetikasa. Toerana hametrahana vonjimaika ireo kaontenera alohan’ny handefasana azy any […]

Fantina sy fintina

Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ ny Foloalindahy malagasy ny «Hazakazaka ho an’ny Fahaleovantena » natao omaly, niarahana tamin’ireo Andrimpanjakana sy minisitera. Niainga teny amin’ny Coliseum izany ary nifarana teny amin’ny Kianjan’Alarobia. Miisa 5 600 000 ireo efa voasoratra anarana amin’ny « Izaho tokana ». Voakasika avokoa […]

Ny teo ihany no miverina

Asa aloha raha fifandrifian-javatra na izay mihitsy ny kajikajy maloto any ambadika rehetra any? Tampoka teo, nitokona tsy nisy mpitarika ry zalahy mpamily sy resevera. Nilaza manko ny kaoperativa fa tsy avy amin’izy ireo izany. Niridana tsy nisy zotra mazava, nilanja sorabaventy, nanapaka lalana manerana ny tanàna. Zara raha nisy […]