Auteur/autrice : Adnews

“Pureplay football league” (PFL) : hatao ny 13 sy 16 jona ny manasa-dalana

Haroso ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay football league 2024). Ekipa efatra no hiady lohany amin’izany. Nambaran-dRakotoa­rimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football Elite de Mada­gascar (CFEM) fa tsy maintsy haroso ny fanatanterahana ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, “Pureplay football league (PFL […]

Akademia Malagasy: hisy famoronana lahatsoratra

Amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanatanterahina fa­moronan-dahatsoratra. Tafidi­t­ra ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy » no hanatanterahin’ny Akademia Malagasy ity hetsika ity. Lohahevitry ny fifaninanana ny hoe : « Ny teny ma­lagasy, sompi-pahendrena ». Mamorona lahatsoratra mi­tantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanana iray sy olo-malaza iray ny […]

UPFANKATIA : fahazoana olon-tiana anaty fandaharana televiziona

Sambany ho arahin’ny mpijery ny fandaharana tantara tena misy amin’ny televiziona, ilay antsoina hoe « téléréalité ». Hifaninana hahazo ny fon’ny tovolahy iray ny tovovavy miisa 12. Manana tolotra vaovao ho an’ny mpifankatia indray ny Startimes sy ny UPTV. Misy ny fandaharana «Upfankatia», mahakasika fitiavana aseho amin’ny televiziona. Vehivavy miisa 12 no […]

“Revy revy mody masoandro” II: ho tafaraka indray ry Mahaleo sy ry Lolo sy ny tariny

Tsy fitaka akory ny lohateny… Efa raikitra fa hotontosaina ny 28 jolay izao, ny “Revy revy mody masoandro” andiany faharoa. Eny amin’ny Parking CCI ivato ihany no hanaovana izany. Mbola hiverina hanafana ny fotoana i Samöela sy ny tarika Maha­leo, izay efa nanao tamin’ny andiany voalohany. Ho avy hanatevin-daharana azy […]

TARATRY ny KANTO

Hivahiny ao amin’ny “Sabotsy mifankahita” ny tarika Telofangady. Fandaharana manokana ao amin’ny fahitalavitra RTA izy ity, izay hanomezana sehatra ireo Malagasy mpanakanto sy ny sanganasany. Anjaran-dry Haja sy ny tariny indray ny mizara ny kantony sy ny mombamomba azy ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Hitohy […]