Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hojerena akaiky ny fitantanam-bolan’ny orinasa Jirama. Marihina fa manana trosa hatrany amin’ny 3 535 miliara Ar ity orinasa ity, ankoatra ireo olana samihafa. Nilaza ny tale vaovao, Ron Weiss, fa hifantoka amin’ny fampitana mankany amin’ny angovo azo havaozina ny fanarenana ny Jirama. Hampihatra ny vidin’ny solika fandrehitra tena izy hatramin’ny taona […]

Fandrakofana ala : namboly zana-kazo 2 500 isa ny SPAT

Toy ny fanaony isan-taona, daty raikitra ho fambolen-kazo ho an’ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (SPAT), ny voalohan’ny volana mey, ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana. Nam­boly zana-kazo 2 500 isa tao amin’ny ala arovana (parc) Ivoloina ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’ i Toa­masina. […]

Andron’ny fanasan-tanana : nentanin’ny Sipromad ny mpianatra

Nankalazaina ny 5 mey teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana. Nan­dray anjara tamin’izany ny vondrona orinasa Sipromad, ka nentanina ny mpianatra, miisa 500, ao amin’ny EPP Ankorondrano. Tanjona ny hahalalan’ny ankizy fa zava-dehibe ny fanasan-tanana, mba hitandroana ny fahadiovana sy tsy hiparitahan’ny valanaretina. Nanolotra savony marobe, an-jatony, tanaty baoritra […]

Acmil Antsirabe : hatsaraina ny fampiofanana

Nifarana ny zoma 3 mey teo, ny atrikasa niompana tamin’ny fanatsarana ny politikam-piofanana arahin’ireo miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy. Tanjona tamin’ny fanatanterahana io atrikasa io “Tafika moderina”, afaka hanatratra ny fanamby sy hanakatra ny lenta izay tsy mena-mitaha amin’ny firenen-kafa manomboka izao ka hatramin’ny taona 2030. Lamina maty paika sy […]