Auteur/autrice : Adnews

Nifanehatra tamin’ny zandary : mpangalatra solika maty voatifitra

Maty voatifitry ny zandary hisambotra azy ny jiolahy mpangalatra solika tao Analavory tapon-tanàna, ny 30 avrily misasakalina. Tsikaritry ny manodidina ny fisian’io lehilahy io. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Niezaka nandositra ilay mpangalatra ka nifanenjehan’ireto farany. Niafina tao anatina dabam-pako izy. Nahatazana ny zandary, nikasa handositra fanindroany indray io […]

Nandrika ny ra teny Fenoarivo: olona roa naratra notifirin’ny jiolahy

Olona roa naratra mafy voatifitry ny jiolahy teo amin’ny sorony sy ny sandriny nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Fenoarivo, afakomaly. Finday ihany anefa no lasan’ireo mpanafika. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao amina tokantrano iray, fokontany Ambohijatovo, kaominina am­banivohitr’i Fenoarivo, distri­kan’Atsimondrano, afakomaly. Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy ny […]