Vita hatrany amin’ny ampatahatelony ny fanarenana ny lalam-pirenena RN 13, amin’ny ampahany Taolagnaro sy Ambovombe. Manohana ny fanamboarana izany ny Vondrona eoropeanina (UE). Nijery ny fizotry ny asa ataon’ny orinasa Colas ny minisitry ny Asa vaventy, kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, ny herinandro lasa teo. Mahatratra 58 km ny lalana naravona, 17 […]
Auteur/autrice : Adnews
Hotsarain’ny tantara
Hisasaka sahady ny taona. Miditra volana fahadimy amin’ny taona isika zanak’olombelona. Volana masina, hoenti-midera an’i manome hasina an’i Masina Maria renin’Andriamanitra, hoy ny mpino katolika. Volam-piotazana, fiakaran’ny vary kosa ho an’ny faritra ambanivohitra maro, manerana ny Nosy. Volam-pararano e! Volana tena ho zina tokoa raha izay no ho zohina. Izany […]
Fandraharahana : handray anjara amin’ny MECC i Madagasikara
Fotoana iray hampivondrona ireo mpandraharaha maneran-tany sy hitadiavana lalam-barotra any ivelany ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny varotra andiany fahadimy ao Kanada. Hotanterahina ny 6 ka hatramin’ny 20 mey izao ny hetsika «Mission économique et commerciale au Canada» (MECC) andiany fahadimy izay karakarain’ny Chambre de commerce et de Coopération Canada-Madagascar (CanCham). […]
TSELATRA
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nanendaka vehivavy miisa roa teny Ambohibao, omaly. Voarakitra tao anatin’ny horonantsary azon’ny « caméra de surveillance » ny endrika sy ny akanjon’io olon-dratsy io ka noraisim-potsiny. Naverina amin’ny tompony ny entana halatra. Jiolahy mpanendaka sady mpanolana tovovavy izay lasibatry ny asa ratsiny amin’ny alina lavon’ny zandary […]
Kidnapping ao Ankazobe: voasambotra Rabevolamena na Lemizana
Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra tao Mahajanga, afakomaly, i Lemizana na Rabevolamena. Dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Atidoha nikotrika tamin’ ny famoizan’aina olona miisa 38 sy fandorana tanàna tao Anosikely izy, ny taona 2022. Namono nahafaty zandary iray am-perinasa tany Ambatomanga, fokontany Maromandia, […]




