Auteur/autrice : Adnews

Handball: hatao eto Madagasikara ny “IHF Trophy”

Taorian’ny fandavan’i Maurice tsy handray ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, sokajy “cadet” sy “junior”, hampiantrano izany indray i Madagasikara. Takina ny Licence D izay ho mpanazatra hitondra ny Akio de Madagascar. Nambaran-dRaheriari­jaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja handball (FMH), omaly, teny Mahama­sina, fa hatao eto Madaga­sikara ny “IHF Trophy”, […]

Axian sy Unicef : fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Natao ny talata 23 avrily teo ny fihaonan’ny vondrona orinasa Axian sy ny Unicef. Dinika mahakasika ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana maharitra. Nanatrika ny fivoriana ny talem-paritry ny Unicef ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, Etleva Kadilli. Natao ny tomban’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Manana […]

Drafitrasa PDSem : fanatsarana ny seha-pihariana hena, ronono

Nampahafantarina, omaly, ny fanombohana ny famolavolana ny Drafitrasa lasitra ny sehatry ny fiompiana eto Mada­ga­sikara (PDSem). Tanjona ny hisian’ny paikady matotra maharitra hampiroboroboana ny fiompiana eto Madagasikara. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fambolena sy ny fiompiana (DGAE), ao amin’ny minisitera (Minae), Anondraka Michel, fa mifanandrify amin’ny andry roa lehibe nofaritan’ny filoha […]

Fambolena sy fiompiana : ampirisihina ny famokarana ny akora fototra

Antoky ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana. Tokony hampitomboina ny famokarana akora fototra eto amintsika. Sehatra iray mifampiankina ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famokaran-tsakafo ho an’ny olombelona sy ho an’ny biby ny fambolena. Ho an’i Mada­gasikara, ambany ny famokarana akora fototra, toy ny ka­tsaka […]

Oniversite – tetikasa « IRF-Tanora » : hitondra fandriampahalemana

Tanterahina amin’ireo oniversitem-panjakana miisa telo, manerana ny Nosy, ny teti­kasa “IRF-Tanora”. Tanjona ny hitondra fanatsarana sy fanamafisam-pirahalahiana eo amin’ny samy mpianatra. Hiantoka ny fandriampahalemana eny amin’ny Oniversite, manoloana ireo disadisa miseho amin’ny endriny samihafa, eo amin’ny samy tanora mpianatra ny tetikasa. Hisi­traka izany ny oniversite telo, ny oniversiten’i Maninday To­liara, […]