Zandary iray nanara-dia dahalo no maty voatifitra taorian’ny fifanjevona tao Beraketa Sakaraha, omaly. Nirefodrefotra ny basy tao Beraketa, kaominina sy distrikan’i Sakaraha faritra Atsimo Andrefana, omaly, tokony ho tamin’ny 03 maraina. Zandary iray, kilasy faharoa, isan’ireo nanara-dia dahalo no maty voatifitra rehefa avy nifandona mafy tamin’ireo malaso. Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo […]
Auteur/autrice : Adnews
Mitohy ny hazalambo : Olona efatra naman’Iarisy voasambotra
Mihamafy ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ilay vono olona niseho tao Anosikely Ambolotarakely distrika’Ankazobe. Afakomaly, olona miisa efatra hafa, mpiray dia amin’Iarisy indray no saron’ny zandary tao Anjozorobe. Nisy ny loharanom-baovao voarain’ny zandary fa niafina tsy lavitra ny tanànan’Amboara fokontany Andranovelona sy tao atsinanan’ireo trano ao Besalaka fokontany Ambohijavona ary ny […]
67 ha : Mpanendaka gagilahy tra-tehaka
Manao andiany ! Tratran’ny polisy ny iray tamin’ireo mpanendaka ikoizana eny amin’ny faritra 67 ha, omaly. Efa fantapantatry ny avy eo anivon’ny Filaminam-bahoaka ny fisian’ireo andian-jatovo mpanendaka eny an-toerana ireo ka nandray andraikitra izy ireo. Natao ny vela-pandrika niarahana tamin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny CSP 7. Teo am-panatanterahana ny asa […]
Varotra iraisam-pirenena – CCI :Voafidy hanondrana vokatra any Chine i Madagasikara
Hatevenina ny fanondranana entana avy aty Afrika mankany Chine. Tompon-kevitra amin’izany ny Centre du Commerce International (CCI) sy ny fitondram-panjakana sinoa. Firenena afrikanina valo no tohanana hanondrana vokatry ny fambolena any Chine sy hisarika mpampiasa vola sinoa amin’ireo tany afrikanina ireo. Voafidy ao anatin’izany i Madagasikara, miampy an’i Ethiopie, Kenya, […]
QMM: havadika ho entona ny rano avy nampiasaina
Mitohy ny fanatsaran’ny orinasa QMM ny fitantanana ny rano avy nampiasainy amin’ny asa fitrandrahany any Taolagnaro. Misy ny tetikasa andrana, hananganana dobo manokana, hanadiovana ny rano avy nampiasaina amin’ny fitrandrahana. Haharitra enim-bolana ity tetikasa andrana ity, mamaly ny fepetra ara-dalàna napetraky ny Antokon-draharaha nasionaly misahana ny rano (Andea), tsy hiantraika […]