Notsotsofina vao tafavoaka vondrona ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny talata lasa teo, nandritra ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024). Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Ny fandreseny an’i Gambie, tamin’ny isa tery 3 no ho 2 no […]
Auteur/autrice : Adnews
Beach Volley : tsy lasa ny solontena malagasy
Nanomboka omaly, tany Kaomoro, ny fiadiana ny tompondakan’ny CAVB Zone 7, taranja Beach Volley-ball. Tsy lasa tamin’ny ora farany ny solontena malagasy roa lahy, i Thierry Robsel sy Rakotoarison Willot. Araka ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball, olana teo amin’ny toetr’andro no antony tsy nahalasa azy ireo. […]
« Telma coupe de Madagascar »: hiatrika ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny CFFA
Adin’ny samy ekipan’ny ligin’Analamanga ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Telma coupe de Madagascar”. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy. Tontosa omaly alarobia, teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium By-pass, ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma coupe de Madagascar”, taranja baolina […]
INDRAY MIJERY
Am-perinasa ireo rantsa-mangaikan’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) eny amin’ ny minisitera amin’ny fampitahana ny naoty ao amin’ny CNtemad mialoha ny hamoahana ny valim-panadinana. Nanentana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny izy ireo mba hiandry am-pitoniana ny voka-panadinana. Nametraka lamina ny CHU Fenoarivo, araka ny toromarika voarain’ny talen’ny hopitaly. […]
Masoivoho japoney : miisa 200 ny tetikasa notohanana
Nohavaozina sy nitarina ny EPP Andohatapenaka, ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Avy amin’ny famatsiana nomen’ny masoivoho japoney eto amintsika no nahazoana ny fotodrafitrasa. Mitentina 70 482 euros ny asa fanavaozana. Notanterahina ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ ny fiandohan’ny herinandro ny asa […]




