Nambaran’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball ofisialy, omaly, teny amin’ny foiben’ny KOM (Komity Olympika Malagasy) Ivandry, fa handray ny CCC-CAVB Zone (Championnat des Clubs Champions), Zone 7, andiany faha-28, i Madagasikara. Ny 23 febroary izao hatramin’ny 2 marsa no hanaovana izany eto Antananarivo. Toeram-pifaninanana 3 no efa tapaka fa handray ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Toamasina : mpanendaka roa lahy voasambotra
Mpanendaka roa lahy saron’ ny polisy ao amin’ny DRSP Atsinanana, tao Morarano, Toamasina, omaly. Niandry mpandalo amin’ny alina teny amin’ny toerana fanaovany ny asa ratsiny izy ireo, nifanehatra tampoka tamin’ny polisy nanao fisafoana alina. Niezaka handositra ireto farany vantany nahatazana ny mpitandro filaminana. Tratra tsy lavitry ny trano fisotroana iray […]
Distrikan’i Boriziny : tsipahin’ireo tantsaha ny fibodoan’ olon-tokana ny taniny
Tany mirefy 1 200 hektara, hiveloman’ny tantsaha an’arivony, kasain’olon-tokana hamidy amin’ny teratany vahiny ao amin’ny fokontany Antsambalahy, kaominina Tsarahasina, distrikan’i Boriziny, ny 9 janoary teo. Nohajarin’ny tantsaha arivo mahery nanomboka ny fanjanahan-tany anefa io tany io, araka ny fanazavan’izy ireo. Olon-tokana voalaza fa taranaka vazaha tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, araka izany, no […]
Andralanitra : dimy lahy tratra nivarotra rongony
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste avancé Andralanitra (PPA), ny zoma teo, ireo dimy lahy voarohirohy manao asa fivarotana rongony amin’ny mpianatra. Maro ny fitarainana voarain’ny tomponandraikitra eny anivon’ny sekoly ao Andralanitra noho ny fisian’ireo andian-jatovo mivarotra zava-mahadomelina manodidina ny toeram-pianarana. Nanamafy izany rahateo koa ny antso nataon’ireo ray […]
Fampandriana fahalemana : manamboninahitra nanaraka fampiofanana ho mpampiofana
Nanatanteraka fampiofanana ho mpampiofana (formation de formateurs) teny amin’ny toby fiofanana Langaina ireo manamboninahitra 13 eo anivon’ny Tafika an-tanety, nanomboka ny 15 janoary ka nifarana ny sabotsy 20 janoary 2024 teo. Ireo manamboninahitra voafantina mandrafitra ny Tafika an-tanety manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity. Ny fanatrarana ny […]




