Anisan’ny toerana ahitana ny BLB ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Menabe, Alaotra Mangoro. Misy ihany koa santionam-bokatra avy any amin’ny faritra Diana sy Anôsy voarain’ireo mpikaroka hotsirihina, hoy hatrany fanazavana. Notohizany fa mbola hisy ny fidinana ifotony atao any Marovoay hijerena ny voka-bary any an-toerana raha toa ka misy bakteria. Mamely […]
Auteur/autrice : Adnews
Jono: 600 tapitrisa isan-taona ny filàna zana-trondro
Mbola ambany ny tahan’ny famokarana zana-trondro eto amintsika raha oharina amin’ny filàn’ny firenena. Tafakatra hatrany amin’ny 600 tapitrisa isan-taona izany ho an’i Madagasikara raha toa ka manodidina ny 40 tapitrisa eo no vokarintsika amin’izao. Tonga tao Brickaville nijery ny ivontoerana famokarana zana-trondro (ecloserie) tilapia, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry […]
Bacterie BLB sy BLS: loza mitatao ho an’ny fambolem-bary
Mety hamotika ny 70%-n’ny famokaram-bary eto Madagasikara ilay aretina “Bacterial leaf blight” (BLB) izay ateraky ny Xanthomonas oryzae pv. oryzae (Xoo) sy ny tsipika amin’ny ravina na ny bacterial leaf streak (BLS). Loza mitatao ho an’ny fambolem-bary rehetra (anaty rano, sakamaina, an-tanety) ireo bakteria ireo. Miparitaka haingana sy miteraka fahaverezam-bokatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisokatra amin’ny volana marsa ho avy izao ny tetezana vaovao eny Ambohimandroso amin’ny RN7, (PK 87). Mirefy 60 metatra. Mampiavaka azy ny azo ifanenan’ny fiara roa, raha lalan-tokana ilay teo aloha, izay niteraka loza nahafaty olona matetika. Vita hatrany amin’ny 80% ny asa, ka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny vola […]
cenam §èha: nihaona tamin’ny mpanao asa tanana ny minisitra
Nitsidika ireo mpivarotra taozavatra malagasy etsy amin’ny Cenam 67 ha ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny zoma 19 janoary teo. Nisy ny fifampidinihany sy fifanakalozan-kevitra namantarana ny olana fototra iainan’ny Malagasy mpanao asa tanana. Anisan’ny vahaolana noraisina ny hametrahana drafitra hifanakalozan-kevitra entina hifampitam-baovao sy hanomezan-danja […]




