Nametraka ny ahiahiny manoloana ny fanendrena ny ho mpikambana eo anivon’ny Ceni ny antoko HVM. Tsy nisalasala ny filoha nasionaliny, Rakotovao Rivo, tamin’ny fanehoan-keviny, afakomaly. Mangataka fanampim-panazavana avy amin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, na ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana ny tenany momba izany. « Manjavozavo ny fomba fanendrena mpikambana eo anivon’ny Ceni […]
Auteur/autrice : Adnews
Tontolo hafahafa
Tsy mba misy na iray andro aza hilaminana ilay tontolo politika eto Madagasikara. Ny nahazo seza atsy tena mandrovitsihy amin’ny serasera fanaon’ny rehetra teo aloha. Mifikitra mafy amin’ny azo. Sarotra tokoa aloha ny hamotsotra hena an-tanan-tsaka izany. Ny nakana fahefana aza mbola moramora lavitra noho ny fiarovana azy. Iaraha-mahalala […]
Voalaza fa hanonganam-panjakana : 20 miliara Ar nahodina tao amin’ny FSM
Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, omaly, fa tena nisy ilay fikasana hanongam-panjakana. Misy ifandraisany tamin’ilay 20 miliara Ar, voalaza fa voahodina tao amin’ny Fonds souverain Malagasy izany. “Misy ifandraisany satria anisan’ny nikononkonina fanonganam-panjakana sy hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ny mpitantana tao anatin’ny FSM, ary nampiasa ny vola tao amin’ny FSM […]
Nanodinkodina zaza : Lehilahy iray naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray tratra nanodinkodin-jaza tsy ampy taona tao amin’ny kaominina Ambositra, ny 1 avrily lasa teo. Naharay fitarainana avy amin’ny ray aman-drenin’ny ankizivavy iray mbola mpianatra eny amin’ny Lycée ao an-toerana, ny polisim-pirenena. Notazomin’io lehilahy io antsokosoko tany aminy io ankizivavy izay mbola mpianatra io. […]
Betongolo : Lehilahy tratra nangalatra bisikileta
Lehilahy iray nangalatra bisikileta tetsy Betongolo voasambotry ny polisim-pirenena, omaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any. Nikasa hangalatra moto iray nipetraka teo akaikin’ny EPP Betongolo ity farany. Nahatsikaritra ny fihetsiny hafahafa ny mponina ka nampandre ny polisy avy amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo (CSP3) avy hatrany. […]




