Mitohy hatrany ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mpamboly maro avy amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy no nisitraka masomboly entina hampiroboroboana ny seha-pihariany, ny herinandro teo. Tantsaha 165 avy ao amin’ny faritra Sofia no nomena masomboly vary an-drano milanja 1 980 kg sy zezika NPK […]
Auteur/autrice : Adnews
Mahajanga: misesisesy ny fahatongavan’ ny sambo lehibe
Andrasana hiverina ao amin’ny renivohitr’i Boeny, ny alatsinainy izao, ilay sambo lehibe Hebridean Sky, nitondra mpizahatany nandalo tao an-toerana afakomaly. Sambo lehibe fahefatra nigadona tao Mahajanga izy ity, izay nitondra mpandeha 100. Nitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra ny 85 amin’ireo mpandeha, nahitana teratany amerikanina sy anglisy. Taorian’io, nihazo an’i […]
Mitotongana ny Ariary: manakaiky ny 5 000Ar ny 1 Euro
Mihazakazaka ny fitontongan’ny vola malagasy. Ankehitriny, efa hananika ny 5 000 Ar ny 1 euro. Omaly, tokony ho tamin’ny 3 ora sy 16 minitra, mitentina 4960Ar ny sandan’ny Euro iray, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tafakatra hatrany amin’ ny 4518Ar kosa ny dolara iray. Azo lazaina ho marin-toerana […]
Fanondranana : nampiditra 3 miliara Ar mahery ny nikela sy kobalta
Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fanondranan’i Madagasikara nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nihena anefa ny vidiny, nilatsaka ihany koa ny vokatra naondrana. Manodidina ny 35 000 t ny vokatra nikela sy kobalta naondran’i Madagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohany, tamin’ity taona ity. Nilanja 3 900t kosa izany tamin’ny volana […]
VAOVAO TAMBATRA
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) sy ny mpandraharaha amin’ny mikraofinansa (IMF). Anisan’izany ny Cecam, ny Smmec, ny PAMF, ny Vola Mahasoa ary ny NIM. Hatsangana koa ny sompitra iombonana eny ifotony, hitahirizana ny vokatry ny tantsaha. Feno 35 taona amin’ity taona ity ny Sekolim-pirenena […]




