Auteur/autrice : Adnews

Zo hisitraka fanabeazana : Nametrahana tranon’ny autisme ny EPP Vohibola

Nomarihina teny amin’ny EPP Vohibola Ampandrana, omaly, ny Andro maneran-tany hankalazana ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny autisme, antsoina hoe «olona hafakely», eto amintsika. Nanamarika izany ny fitokanana ny tranon’ny autisme, ahitana efitrano roa, ao anatin’ny EPP. Fandrai­sana anjara avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho fampisitrahana ny zo hianatra ho an’ny […]

Nihaino ny hetahetan’ny mpiasa : Nitsidika ny Cnapmad ny minisitra

Nitsidika ny Ivontoerana nasionaly misahana ny famokarana fitaovana pedagojika sy didaktika (Cnapmad) ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Ivontoerana iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, manana traikefa 42 taona, ary mamelona mpiasa manodidina ny 150 isa ny “Cnapmad”. Izy ireo izay miandraikitra ny famokarana ny fitaovana […]

Fandrindram-piterahana : Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana

Ahafahana misoroka ny vohoka tsy nirina, mitondra amin’ny fanalan-jaza sy fahafatesana, ny fizarana fahalalana ho an’ny ankizy sy ny tanora momba ny fanabeazana ara-pananahana. Taorian’ny famoahana ny vokatry ny fanadihadiana nasionaly momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, taona 2024-2025, nisongadina fa tandindomin-doza ny fahasalaman’ny tovovavy eto amintsika. Adolan­tsento 15- 19 taona […]

ASIEF 2026 : Mpiasam-panjakana 15 000 andrasana

Hotanterahina any Mana­kara sy Vohipeno, ny 17 ha­tramin’ny 27 aogositra izao, ny fifaninanam-pirenena natokana ho an’ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny Asief na Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires. Manodidina ny 15 000 eo ny mpandray anjara amin’izany. Tanjona ny hanetsehana ireo mpiasam-panjakana sy hananana fahasalamana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa, […]