Auteur/autrice : Adnews

Fikambanana miara-dia amin’ny Upar – Tanà : “Tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny Renivohitra isika”

Nanao fanambarana ireo fikambanana marobe eo anivon’ny Upar – Tanà, miara-dia amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Namaly ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ny fanambarana fa hikasa hanakana ny fifidianana amin’ny alakamisy 16 novambra izao ny fanehoan-kevitry ny filohan’io Andrimpanjakana io. Manaja ireo raiamandreny ireo izy ireo. Na izany […]

Mesupres-INSTN-AIEA: nanasongadina ny lentan’ny nokleary ireo tanora malagasy

Nankasitrahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ireo tanora 3 mianadahy nitondra avo ny voninahitr’i Madaga­si­ka­ra tamin’ny fifaninanana, nandritra ny fivoriambe andiany faha-67, ny “Agence internationale de l’énergie atomique” tany Vienne Autruche. Anisan’izany Andriampa­rany Koloina Valisoa , Ia­li­nomenjanahary Radonasolo Rodier , Rakotondrasoa Ma­he­nintsoa Stelly , samy taona faha-4 ao […]

Miora sy Ny Aina: avo lenta ny rindrambaiko noforonina ho an’ny orinasa

Rakotonjanahary Miora Irinah, 21 taona sy Rakoton­dramanana Ny Aina Ma­nan­kaja, 20 taona, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny ISPM no nisalotra ny diplaoma Licence, nahazo ny mention Très bien izy ireo rehefa nahazo ny naoty 19,70/20. Ma­ha­ka­sika ny informatika sy fifandraisana, sokajy elektronika, rafitra informatika….no nanao­van’izy ireo fanohanana ny voka-pikarohany. Natao […]

CHU Anosiala : hanome tolotra fahasalamana

Manao hetsika fandraisana an-tanana maimaimpoana ny tomponandraikitry ny CHU Anosiala, amin’ny herinandro ambony, mandritra ny tontolo andron’ny alarobia. Fitsaboana no hataon’ny Malagasy mpitsabo sy ny Sinoa, dokotera manam-pahazaina amin’ny aretin’ny taolana sy ny vanin-taolana ary ny hazondamosina. Iantefan’ny hetsika koa ny fandidiana amin’ny ankapobeny, aretin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy (gynécologie). Manampy ireo […]

Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina: 20 mianadahy ireo Peace-corps nanao fihanianana

Mihatonga tsikelikely ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy any ivelany taorian’ny valanaretina covid19, nampitsoaka azy ireo. 20 mianadahy indray ireo tanora amerikanina hiasa maimaimpoana eto Madagasikara. Ny alakamisy teo ireo 20 mianadahy mpilatsaka an-tsitrapo vaovao ame­­rikanina no nanao fihanianana teny Mantasoa, fa vonona amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Naharitra 10 herinandro […]