Auteur/autrice : Adnews

«Ankiz’innov»: mpianatra amin’ny sekoly fito nifampizarana ny 5GLab

Nandray fahalalana mo­mba ny fivoaran’ny niomerika mikasika ny “5G Lab” ireo mpianatra avy amin’ireo sekoly niomerika iarahan’ny orinasa Orange miasa eto Ana­la­manga, ahitana ny EPP Ankorondrano, CEG Avara­do­ha, CEG Antanimena, CEG Ambohimanarina, CEG Ana­la­mahitsy ; Reverance Art School ; SMM DSF Ambo­hi­dratrimo, tamin’ity herinandro ity. Teny amin’ny “Tour Oran­ge” Ankorondrano […]

Association Psy-kôzy: miantso fanohana amin’ny fametrahana ny foibe fanarenana “psychosocial”

An-jatony ny olona liana tonga nanatrika ny atrikasa momba ny fanarenana “psychosocial” nandritra ny hateloana teny Faravohitra, tamin’ity herinandro ity. Nikarakara ny atrikasa ny association Psy-kôzy mi­sehatra amin’ ny fanatsarana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara ary hamerina ny hasina ma­ha olona eo amin’ireo olona itrangany. Ni­zara enina ny […]

TARATRY ny KANTO

Hikatona tanteraka ny IFM, anio. Mikorontana ny fandaharam-potoanan’ny IFM Analakely isaky ny sabotsy, noho ny toe-draharaha misy. Voatery ahemotra amin’ny fotoana manaraka indray mantsy ireo nokasaina hatao anio, satria hikatona tanteraka ity ivokolo frantsay ity. Saika ireo fandaharam-potoana tafiditra anatin’ny hetsika “Novembre Numérique” ireto nofoanana ireto. Antsa an’i Kristy, eny […]

Satria very ny fototra: mampanahy ny hoavin’ny hira malagasy

Nanome lanja ny tononkira ny Malagasy. «Fahiny izany», hoy ny tanora ankehitriny. Raha io lafiny iray io (tononkira) no tomorina akaiky, maro amin’ireo hira fahiny no hifanipaka amin’ny heno amin’izao vanim-potoana izao. Fifan­donana azo adika ho tsy fitoviam-pijery eo amin’ny zoky sy ny zandry, raiamandreny sy zanaka, sns. Feo voajanahary, […]