Auteur/autrice : Adnews

Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana : Ahina hiverina ny tsy fanjarian-tsakafo

Ny herinandro ho avy izao, hidina any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ny fitondram-panjakana, amin’ ny alalan’ny BNGRC, ny minisiteran’ny Mponina, ny mini­siteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) ary ireo mpiara-miombon’antoka. Hitondra fanampiana ho an’ireo olona izay ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy tsy fahampian-tsakafo izy ireo. […]

Tsy fanjarian-tsakafo ; Nankatoavina ny fandaharam-piofanana

Nisy ny atrikasa fankatoavana ny fandaharam-pampiofanana momba ny fitsaboana sy fanentanana ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, no nanatanterahana izany. Tanjon’ny tahirin-kevitra enti-manofana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpia­san’ny fahasalamana. Eo koa ny fanatsarana ny fahaizan’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony. Tafiditra ao koa […]

Filohan’ny oniversite Itasy: Nisy nitory eny amin’ny Bianco

Nisy nitory eny anivon’ny Bianco ny filohan’ny oniversiten’ny faritra Itasy. Maromaro ny anton’izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany fitoriana izany ny fisandohana andraikitra sy fiahiahiana fanodinkodinam-bola hatrany amin’ny dimy tapitrisa Ariary. Manampy izany koa ny na­kana fiarabe miisa efatra, tsy nifanaraka amin’ny dingana ara-dalàna tokony harahina. Mifandraika amin’izany […]