M-3 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026” baolina kitra, anio. Tontosa avokoa ireo lalao sakana ary efa fantatra ireo firenena 48 hiady lohany amin’ity. Nahatafita firenena 10 i Afrika. Ekipa goavana tsy tafita i Italie. Taorian’ny lalao sakana ny talata lasa teo, fantatra avokoa ireo firenena rehetra tafita […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanavaozana vola: Eo am-pamakafakana ny safidy ny BFM
Manohy ny fifampidinihana amin’ny vahoaka momba ny fanavaozana ny vola Ariary ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisy ny fihaonana natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny talata teo, taorian’ilay efa natao teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 23 marsa. Tanjona ny hanangona ny hevitry ny mpampiasa vola mba handrafetana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny […]
Tetikasa EAGER : Hanova ny fiainan’ny vehivavy
Hotanterahina amin’ny faritra 11 (Analanjirofo, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Melaky, Menabe, Sofia, Vatovavy, Vakinankaratra), hatramin’ny taona 2029, ny tetikasa East Africa Girls Empowerment and Resilience (Eager). Hanabe sy hanamafy ny traikefa arak’asa sy hanome asa ny vehivavy izy io. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-manaony ka hitondrany ny […]
Trafika harena voajanahary : Lehilahy iray nosamborina teny amin’ny seranan’Ivato
Malagasy iray, anisan’ny atidoha mpikotrika fitrandrahana antsokosoko harena voajanahary no tra-tehaka teny amin’ny seranan’Ivato. Efa ela nokarohina izy ity amin’ny resaka fandikan-dalàna. Anisan’ny mpitarika tambajotran-jiolahy mpitrandraka sy mpanondrana antsokosoko harena voajanahary ity lehilahy ity. Anisan’ izany ny sokatra, ny raharaha famotsiam-bola sy kolikoly. Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny […]
Fanamboarana basy: Lehilahy roa naiditra am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja, ny 31 marsa 2026 lasa teo, ireo lehilahy miisa roa, taorian’ny fampiakaran’ny fampanoavana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Tompon’antoka tamin’ny fihazonana sy fanamboarana basy vita gasy izay tsy ara-dalàna tany Atsimontsena, Tsiroanomandidy, izy ireo. Raha tsiahivina, nahatrarana fitaovam-piadiana (basy) mahery vaika maro karazana tao amin’ny tokantranon’olona iray […]




