Auteur/autrice : Adnews

Fanorenana sy fanajariana ny tany : Hisy varavarana misokatra eny Avaradrano

Ao anatin’ny Iray volan’ny tanàn-dehibe isika izao. Man­kalaza izany ny eny amin’ny distrikan’Avaradrano, amin’ny alalan’ny varavarana misokatra izay hatao eny amin’ny kaominina Alasora, ny talata 20 okotobra 2026 ho avy izao. Hisy ny fizarana fahalalana momba ny fanajariana ny tany izay hampandrosoana ny tanàna. “Hampaha­fantarina ny mponina ny maha zava-dehibe […]

Tranon’ny mpianatra : Mitaky fitovian-jo ny Tesomia sy Sava-U

Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra Teraka Sofia mianatra ao Antsiranana (Tesomia) sy ny Sava-U mandranto fianarana ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Mitaky fitovian-jo eo fizarana ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’­io oniversite io izy ireo. Manana fikambanana 11 mivondrona ao anatin’ny fikambanana roa ireo mpianatra ary efa nihaona tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny […]

CHU Mahavoky Atsimo-Mahajanga. : Nitsabo maimaimpoana ny aretim-bavony sy tsinay

Tafiditra anatin’ny ezaka fanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana, fanamorana ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana manokana ary fampiroboroboana ny fahaiza-manao ara-pitsaboana eto Madagasikara ny tolotra ho an’ny faritra Boeny. Nanatontosa hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina ao amin’ny faritra Boeny ny CHU Mahavoky Atsimo. Noho ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana Fanavaozana, hanohanana ireo ezaka […]

Mpitsara baolina kitra : Miantso vonjy amin’ny Fifa

Omaly, nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Maha­ma­sina ireo Malagasy mpi­tsara baolina kitra notarihin’i Mohamad Abdillah, mpilalao sady mpitsara fahiny. Namba­rany fa mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ny baolina kitra malagasy ka tsy fanakorontanana no ataon’izy ireo fa fifanandrifian-javatra fotsiny amin’ ny fandalovan’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fifa sy ny Caf eto Madagasikara ka […]

« Ligue des Champions Caf » : Hiakatra kianja ny CFFA, anio

Hotontosaina anio, any Tanzanie, ny lalao mandroson’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Youngs Africans SC, ekipa tanzanianina. Fihaonana tafiditra amin’ny dingana faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo klioba, “Ligue des Champions Caf 2027”. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, efa vonona tanteraka ireo mpilalao. Ny mpanazatra ny CFFA, […]