Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa « Produir »: misitraka ny fahadiovan’ny lakandrano C3 ny mponina

Notanterahina omaly teny amin’ny fokontany Mandrangobato Anosibe ary hitohy anio eny Ankasina ny andro natokana ho fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Produir.  Fotoana nanombohana sy namaritana ny toerana izay hiasana ary fametrahana ireo marika sy takelaka maro samihafa, mba hahafahan’ny tetikasa « Produir » manomboka no natao omaly, teny Anosibe. Teo koa […]

Nanafika tranona relijiozy… Jiolahy iray naratra tratran’ny fitsaram-bahoaka

Sendra ny nahay azy ! Naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao Nandihizana, fokontany sy kaominina ambanivohitr’Ambohimasina, distrikan’i Betafo, afakomaly. Jiolahy telo nitondra famaky sy kibay no tafiditra tao an-tokotanin-dry masera rehefa avy nihanika tamboho. Ny mpanampin-dry masera no tratran’ireo jiolahy ka nasainy namoha varavarana. […]

Horonantsarimihetsika: efa azon’ny rehetra jerena ny « Nampoina »

Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny fandefasana ny horonantsary “Nampoina : Ny riaka no valampariako”, izay an’ny fikambanana Valamparihy, ho an’ny besinimaro. Ny mpianatra sy ny tanora no tena kendren’ny tomponandraikitra hahita ity horonantsary ity. Tanjona ny handefasana azy any amin’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo sekoly maro samihafa. […]

“Sivy Mahasaky”: hisy ny seho fahatsiarovana an’i Tsilavina Ralaindimby

Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Plaza Ampefiloha, ny fampisehoana ahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra an’i Danaivo, Tsilavina Ralaindimby ary i Donné Sahondrafinina. Ny tarika “Sivy Mahasaky” no hamelona indray ny kanton’ireto andrarezin’ny kanto malagasy ireto. Kaloin’ireto andrarezina ireto, laroina ireo hiran’ny tarika “Sivy mahasaky” no hanakoako eny an-toerana amin’ity anio ity. Efa […]