Niu Raza. Tanterahina ny sabotsy 9 septambra 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana hataon’i Niu Raza. Seho an-tsehatra ahitana dihy sy hira no ampanantenain’ity mpanakanto ity ny mpankafy azy. Efa lany tanteraka ny tapakilan’ny fampisehoana, omaly. Fotoana sisa, araka izany, no andrasan’ny rehetra. “Vazo miteny”. Hihaona eny Antsahamanitra, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Misoko mangina: potiky ny doka ny teny
Rehefa natao ny kajy: tao anatin’ny doka varotra 17, ny 2 tamin’ireo ihany no tamin’ny teny malagasy madiorano. Ny ambiny, amin’ny teny vahiny avokoa. Voakasik’io avokoa na ny doka varotra mandeha amin’ny Radio na Televiziona, na petadrindrina lehibe. Tsy sahaza ny Malagasy angaha ny voalaza ao anatin’ireny doka ireny no […]
Ireo mampateza ny sanganasany: namoaka ny tsiambaratelony i Henri Ratsimbazafy
Andrarezin’ny hira malagasy. Henri Ratsimbazafy, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno… Hita ao aminy avokoa ny tontolo ananan’ny hira. Am-polo taona maro, mbola indreo fa re eo am-bavan’ny olona hatrany ny sanganasany… Gazety Taratra (*): Tany amin’ny taona firy i Henri Ratsimbazafy no niditra teo amin’ny tontolon’ny hira ? Henri Ratsimbazafy (-): Fahiny, […]
Hira sy fitoriana: hiatrika seho roa ny Tanora masina Itaosy
Amin’ny maha zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy ny Tanora Masina Itaosy. « Miombom-peo amin’ny Foibe FLM izahay, manentana sy manasa antsika mpino FLM rehetra hiaraka hiombom-bavaka eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny Alahady 10 septambra izao manomboka amin’ny 8ora sy sasany maraina », hoy ny fampitam-baovaon’ny Tanora Masina Itaosy. Amin’ny 2 ora tolakandro, […]
Sakafo an-tsekoly: mila ampitomboina ny vola ampiasaina
Mila ampitomboina ny vola atokana ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly, hahazoana mampiakatra ny isan’ny mpisitraka satria iankinan’ny fahombiazan’ny fanabeazana. Minisitera maromaro no voakasiky ny fanomezana sakafo, ka zava-dehibe ny fandrindrana ny asa rehetra, manomboka amin’ny fitsinjarana ny vola eny ifotony hatramin’ny fividianana ny vokatra ary ny fitantanana ny toeram-pisakafoana. Hapetraka koa […]




