Auteur/autrice : Adnews

Fahasalamana: ireo tranga mandrisika ny aretina Alzheimer  

Maro ireo tranga mety hahatonga ny aretina Alzheimer aloha loatra ka mila tandremana. Misy ny fitiliana ny fitadidiana ahafantarana ny mety mampiahiahy. Mbola ao anatin’ny iray volana ho an’ny aretina Alzeimer mandritra ity septambra ity. Nampahafantatra ireo karazana tranga mandrisika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, tamin’ity herinandro […]

« Pâtissier-traiteur » Vita ny lasim-panofanana

Tanterahina eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity ny atrikasa famolavolana ny lasim-panofanana momba ny “Pâtissier – traiteur”, iaraha-miasa amin’ny Institut Européen de coopération et de développement (IECD). Dingana voalohany amin’ity atrikasa ity ny fampivondronana ireo manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry […]

Indray mijery

Manamarika ny faha-25 taona nisiany ny fikambanan’ny mpitsabo misehatra amin’ny minisitera eto amintsika. Hanomboka anio, amin’ny alalan’ny hairanty eo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika. Misy fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny diabeta, fitsapana tosidra izay maimaimpoana anatin’ny tolotra omena ny mpitsidika eny. Hisitraka fampiofanana sy fampitaovana mikasika ny fitantanana ny […]

Vondrom-pikambanana ao Atsinanana: « Ny fahasamihafana no antoky ny fampandrosoana »

Miaina sady manaja ny fahasamihafana eo amin’ny toerana niaviana ny ao amin’ny faritra Atsinanana. Ataon’ireo mpitantana ao an-toerana ho fanoitra amin’ny fampandrosoana izany. Nisy ny faniratsirana sy fanosoram-potaka ny raiamandreny ara-panjakana sy ara-drazana  ary ny fitsarana eto amin’ny faritra Atsinanana,  tamina haino aman-jery sy tambajotran-tserasera, niainga tamina tale kabinetrana sampandraharaham-panjakana […]

Rabary Paul: “Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”

“Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”, hoy ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena mafanafana amin’izao fotoana izao. Vokatra andrasana amin’ny fifampidinihana ny hanomezana antoka ny rehetra fa madio sy mangarahara ny fifidianana. Etsy andaniny, fanomezana antoka ny rehetra fa hanaiky ny voka-pifidianana. […]