Norombahin’i Hajanirina, atletan’ny Crown Vakinankaratra, ny laharana voalohany sy ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Maurice tamin’ny hazakazaka anaty natiora na ny Trail, ho an’ny halaviran-dalana 32 km. Fifaninanana nokarakarain’ny ligy any an-toerana, ny sabotsy 28 marsa lasa teo. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. […]
Fanatajahantena
Lalao ara-pirahalahiana Fifa: Nisaraka ady sahala tamin’i Guinée Equatoriale ny Barea
Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sahala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao […]
Hazakazaka maneho firaisankina : Hanampiana ny hopitalin’ankizy ny vola azo
Hotanterahina ny alahady 26 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika hazakazaka maneho firaisankina. “Course solidaire La vache qui rit” no anarana isalorany amin’ity andiany voalohany ity. Mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa no andrasana, araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara, omaly, teny Mahamasina. Hizara efatra ny fifaninanana. Voalohany, misy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Emir Complex, Antalya Sport Torkia, ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy i Guinée Equatoriale. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary ho fantatra aorian’izany ny filaharan’ny Barea. Nahazo isa telo indray ny AS Ste Anne, afakomaly, tetsy Iavoloha, raha nifandona tamin’ny ekipan’ny Uscafoot. Lavon’izy […]
Handball : Mpanazatra 23 nahavita fiofanana
Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana hahazoana ny «licence D», ho an’ireo mpanazatra 23 mianadahy mianaka amin’ny taranja handball. Fiofanana nampanaovin’ny manampahaizana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (IHF), notarihin’i Khaled. Ankoatra ireo Malagasy, mpikambana ao anatin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), nisy avy atsy Mayottes sy […]





