Norombahin’ny Makis avokoa ny amboara rehetra nandritra ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indiana, « Aroi », sokajy U16, lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy. Fahombiazana no azon’ny ekipam-pirenena malagasy Makis nandritra ny fifanintsanana Rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana «Aroi», ho an’olona fito. Hetsika izay natao tetsy Andohatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. […]
Fanatajahantena
Judo-Mada 2026 : Hanomanana ny ho tompondakan’i Afrika
Tontosa ny alakamisy sy omaly zoma, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja judo. Nahatratra 368 ny mpandray anjara, avy amin’ny ligy 8. Teo ihany koa ny Diaspora miisa 2. Ho fanomanana sy fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, hatao any […]
Rugby Aroi : Manjakazaka ny Makis an’i Madagasikara
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indiana, taranja rugby lalaovin’olona 7, sokajy zandriny, U18, vehivavy sy lehilahy ary U16, lehilahy. Fifaninanana karakarain’ny fikambanan’ny rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Aroi) izy ity. Raha ny vokatra ho an’ity fanombohana ity, manjakazaka ny […]
Kianja Barea Mahamasina : Mety hovaina «synthètique» ny bozaka filalaovam-baolina
Hatao artifisialy (synthètique) ny bozaka natoraly ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré. Efa miroso amin’ny fikarakarana izany ny fanjakana, ankehitriny. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, teny Ambohijatovo, fa manana […]
ASIEF 2026 : Mpiasam-panjakana 15 000 andrasana
Hotanterahina any Manakara sy Vohipeno, ny 17 hatramin’ny 27 aogositra izao, ny fifaninanam-pirenena natokana ho an’ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny Asief na Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires. Manodidina ny 15 000 eo ny mpandray anjara amin’izany. Tanjona ny hanetsehana ireo mpiasam-panjakana sy hananana fahasalamana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa, […]





