Fanatajahantena

Distrikan’i Maroantsetra : Nahazo kianja roa manara-penitra

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra, ny Kianja roa manara-penitra, eny an-drenivohitry ny tanàna sy ny ao amin’ny kaominina Anjahana. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, ny hetsika tahaka izao. Tsara ny mampahafantatra fa zava-dehibe ho an’ny tanora sy ny Fanatanjahantena ny […]

“Grand Skate Tour” : Handray anjara i Madagasikara

Nahazo fanasana handray anjara amin’ny “Grand Skate Tour” indray i Madagasikara. Fifaninanana hotontosaina any Rosia ny volana aogositra izao. Rasolofonirina Jean Christ, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Lofo no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana goavana maneran-tany amin’ny taranja Skate ity. Ny hitondra amboara hiverina an-tanindrazana no tanjon’i […]

SOMBIM-BAOVAO

Hisolo tena an’i Madagasikara any Algérie, mandritra ny lalao afrikanina an-tsekoly, taranja Judo, Razakarison Tovohery, sokajy latsaky ny 55 kg. Ity no lalao afrikanina an-tsekoly voalohany ary tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Hatao ny maraina […]